ANTALAHA

Tsy ho lo am-pitoerana intsony ny voankazo


  • Talata 28 Mey 2024

Efa mamokatra ny milina fanamainana ireo karazam-boankazo vokatra ao Antalahata ny tpmpon’andraikitra.

Mamokatra voankazo maro ny ao an-toerana raha tsiahivina saingy ny olana hatramin'izay dia ny tsy fisian'ny orinasa manodina azy ireny mba ho azo tehirizina sy ho lasa fihariana, ka ho azo aondrana mankany ivelan'ny faritra, hampitombo ny fidiram-bolan'ny tantsaha sy hanatsara ny fari-piainany. Ny Tetikasa ODOF dia mamaly izany, distrika iray hametrahana indostria iray. Ny Kaoperativa MAMOKATRA ao Antsonasona Antalaha izay manana mpikambana maherin'ny 600 no mitantana ny Orinasa ODOF ao Antalaha araka ny Antso ho an’ny tetikasa nataon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra. Afaka miara-miasa aminy koa ireo kaoperativa rehetra misehatra amin’ny fambolena voankazo. Manampy ny fampandrosoana ny faritra ny fahazoana fitaovana toy izao. Faly ireo mpikambana ao amin'ny kaoperativa fa tsy ho simba sy ho very fotsiny intsony ny vokatr'izy ireo manomboka izao.
Pati
Legende : Maro tantsaha mpamokatra voankazo ao anatin’ny distrikan’Antalaha !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT