Toekarena

Anjara Hetrako Politika fandoavan-ketra manatona ny olom-pirenena


  • Alakamisy 19 Novambra 2020

Nanomboka ny talata lasa teo teny amin` ny Kaominina Antananarivo

 

 

 

Renivohitra (CUA) ny hetsika fanentanana ny olom-pirenena amin`ny fandoavan-ketra “Anjara Hetrako”, izay tarihan` ny Foibem-pitondrana ankapobeny ny hetra (DGI), ho an` Antananarivo Renivohitra. Misy ny fiara mivezivezy eraky ny boriborintany rehetra eto Analamanga hanao ny fanentanana sy handray ny taratasin’ireo maniry hiditra amin’ny sehatra ara-dalàna. Omaly dia teny Anosibe manoloana ny tsena sy ny “parking Taxi” no nanaovana ny hetsika. Anio dia eny Namontana no ahitana ny ekipan` ny DGI ary eny amin` ny lapan` ny fanatanjahantena Mahamasina kosa ny zoma izao. Ankoatr'izay, dia hisy ekipa afaka handray ihany koa eny amin'ny trano hevan'ny DGI eny amin'ny « Salon International de l'Habitat”, Forello Expo Tanjombato, ny 19, 20, 21 ary 22 novambra. Fanamarinam-ponenana sy karapanondro ihany no taratasy takiana amin'ny fanaovana izany. Ho famporisihana ny olom-pirenena handray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena no nametrahana ny hetsika « Anjara Hetrako». Mahazo laka hatrany ny sehatra tsy manara-drafitra ka isan’ny tanjona voalohany ny hiadiana amin’ireo sehatra tsy manara-dalàna sy ho fampitomboina ny vola miditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Hamoraina araka izany ny fanoratana ireo orinasa madinika eny amin’ny ivon-ketra.

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT