Toekarena

Angovo azo havaozina tohanan’ny Eoropeanina Tokantrano 9000 no hahazo tombontsoa


  • Alarobia 23 Aogositra 2017

Manohana ny fitsimbadihana amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina ny vondrona eoropeanina,

Omaly no nampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny fanombohan’ny tetikasa « Energies Renouvelables et Efficacité Energétique ». Fandaharanasam-paritra aty amin’ny ranomasimbe Indianina ary vatsian’ny vondrona eoropeanina vola hatrany amin’ny 2,5 tapitrisa euros izy io. Sivy ny tetikasa ho an’i Madagasikara manokana. Samy hahazo tombony amin’io na ny sehatra tsy miankina na ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny. Fianakaviana 9.000 no hahazo herinaratra. Laharam-pahamehana ho an’ny vondrona eoropeanina ny famokarana angovo ka izany no mahatonga izao fanohanana ara-bola izao. Azo isorohana tsara ny voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetry ny andro sady fitaovana iray iadiana amin’ny fahantrana ny fitsimbadihana tsikelikely mankany amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina , hoy ny masoivohon’ny vondrona eoropeanina Antonio Benedito Sanchez omaly. Angovo izay sady madio no mora kokoa ary maharitra.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT