Toekarena

Angovo azo havaozina Hamoraina ny haba aloa


  • Sabotsy 03 Martsa 2018

Notanterahina omaly tetsy amin’ny hotely Carlton ny atrikasa ny amin’ny fanatsarana ny sehatra ara-ketra ho an’ny angovo azo havaozina. Efa manomboka miroborobo ny famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny angovo azo havaozina eto Madagasikara.

 Ny ankamaroan’ny fitaovana anefa mbola hafarana avy any ivelany. Ny olana rehefa tonga eo amin’ny fadintseranana ny entana dia taraiky any satria lafo loatra ilay vola aloa na ilay haban-tseranana takiana. Ny mpiantsehatra ao anatin’ilay  famokarana herinaratra anefa tsy nametraka izay tetibola izay na nanao ihany fa tsy ampy tamin’ny famolavolana ny tetikasany tany am-boalohany. Ny hamahana izay olana izay indrindra no antony nanaovana ity atrikasa ity satria lasa tsy marisika ny olona. Raha momba ny “panneau solaire”, izay efa tsy andoavana haba, ohatra, dia tokony hoesorina ihany koa ireo hetra amin’ireo kojakoja miaraka aminy toy ny vatoaratra (batterie) izay tena lafo. Eo ihany koa manaraka izany ilay fitaovana manodinkodina (turbine) izay mbola hafarana nefa tena miasa amin’ny angovo avy amin’ny rano. Ampahany ihany ireo fa mbola maro ny entana tsy tokony handoavana haba izay ilaina amin’io resaka angovo azo havaozina io. Tokony hisy serasera matotra ifandraisan’ny minisiteran’ny angovo sy ny minisitera miandraikitra ny haban-tseranana handinihana ny olana. Ilaina ihany koa ny fiaraha-miombon’antoky ny fanjakana sy ny tsy miankina mba hanome vahaolana na amin’ny resaka haba na amin’ny tsy fahampiana ara-angovo amin’ny ankapobeny.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT