Toekarena

Angovo azo havaozina Foto-drafitrasa goavana no apetraka ao Ambatolampy


  • Alarobia 16 Jona 2021

Mba hahafahana mampiroborobo ny fampiasana ny angovo azo havaozina dia nanatanteraka sonia fifanekem-piaraha-miasa ny orinasa JIRAMA

 

 

 

 sy ny Green Yellow Madagascar omaly hahafahana manitatra izany any amin’ny distrikan’Ambatolampy. Hanana tanjaka hatrany amin’ny 20 hatramin’ny 40MW ny fitaovana mpamokatra herinaratra amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro hampiasaina amin’izany miaraka amin’ny bateria 5MWh. Nambaran’ny JIRAMA nandritra izany fa hampihena ny saran’ny jiro hamatsiana ny mpanjifa alohany isam-bolana izao tohana hataon’ny Green Yellow izao no sady ho fiarovana ny tontolo iainana ihany koa.Efa nanomboka tamin’ny fiandohan’ity volana Jona ity moa ny asa ary kasaina ho vita mialohan’ny faran’ny taona.Manodidina ny 17 tapitrisa Euro ny lela-vola holaniana amin’izany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT