Toekarena

Andry Rajoelina Mangataka famoahana famatsiam-bola hatrany


  • Alakamisy 24 Febroary 2022

Nisy omaly ny Fihaonan’ny Filoha Andry sy Rtoa Idah Z. Pswarayi-Riddihough, Talen’ny Fandraharahana "Directrice des opérations"

eo anivon'ny Banky Iraisam-pirenena, misahana an'i Comores, Madagasikara ary Mozambika, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Noresahan’i Rajoelina manokana ny sehatry ny tontolo iainana sy ny ady amin'ny fiovaovan'ny toetrandro, ankoatra ireo ambara fa tetikasa sy programan'asa fampandrosoana eo amin'ny sehatra maro izay iarahan'i Madagasikara miasa akaiky miaraka amin'ny Banky Iraisam-pirenena. Niezaka nanome toky fa vonona hanatanteraka programan'asa misy fampiasam-bola lehibe, no sady misoroka ireo voka-dratsin'ny fiovaovan'ny toetrandro i Madagasikara. Nomarihina fa anisan'ireo firenena tokony hisitraka ny "Drafitra Maitso" na ny "Plan Vert", kanefa mbola tsy tanteraka hatrany izany hatreto. Nampahatsiahivin’i Andry Rajoelina nandritra ity fihaonana ity noho izany ny fisian'ireo fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny COP21, izay nohamafisina indray tamin'ny COP26 mikasika ny fametrahana ny Tahirim-bola Maitso na ny "Fond Vert" izay mitentina 100 lavitrisa Dolara ka tokony hisitraka ampahany amin'izany ny Firenentsika. I Madagasikara ihany koa no firenena fahadimy nahavita nandrafitra ny Politika Nasionaly ho Fiatrehana ny fiovaovan'ny toetrandro. Ary isika ihany koa dia efa nanao sonia ny fifanekena REDD+ mba ahazoana carbone 10 tapitrisa taonina ao anatin'ny 5 taona, ka tokony homena lanja manokana izany miaraka amin'ny Mpiara-miombon'antoka toy ny Banky Iraisam-pirenena, hoy ny fanazavana. Mandeha hatrany izany ny fangatahana sy fampahatsiavana ireo famatsiam-bola mihisatra tsy mety mivoaka. Sao dia noho ireo teo aloha ratsy tantana no antony ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT