Toekarena

Andron’ny indostria aty Afrika Hanohana akaiky ny hetsika ny BNI Madagascar


  • Talata 21 Novambra 2017

Notanterahina nanomboka omaly alatsinainy 20 novambra ny fankalazana ny andron’ny indostria aty Afrika.

 

Anisan’ny mandray anjara mavitrika amin’izany ny banky BNI Madagascar amin’ny maha mpanohana ofisialy azy ireo ny “fitaratry ny indostria” ( vitrine de l’industrie), hetsika notanterahina nanomboka omaly ka hatramin’ny rahampitso alarobia etsy amin’ny  lapan’ny tanànan’Analakely. Ny fahaiza-manao, ny fananany traikefa sy fifandraisana amin’ny tantaran’ny indostria eto amintsika no anisan’ny antony nanosika ity banky iray ity hanohana izao hetsika izao. Tanjony amin’izany ny hanome lanja sy hametraka amin’ny toerana maha izy azy ny indostria Malagasy amin’ny alalan’ny fanandratana avo ny Vita Malagasy. Tsiahivina moa fa anisan’ny tanjona amin’izao fankalazana ny andron’ny indostria aty Afrika izao kosa ny fampahafantarana ny lalàna mifehy ny indostria eto amintsika sy hanairana ny rehetra mba ho tonga saina, indrindra fa ny tanora fa anisan’ny kalilen’ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena iray maharitra ny fampiroboroboana ny indostria. Tsara ny manamarika  fa miara-miasa akaiky amin’ny sendikan’ny indostria eto Madagasikara ny BNI amin’ny fanatontosana hahafahan’ireo mpikambana maka torohevitra sy fifanampiana, antony nananganana ireo masoivohony am-polony manerana manerana ny Nosy nanomboka tamin’ny taona 2015 lasa teo.

 

 

Pati

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT