Toekarena

Andrakaka sy Cap Diego Handroso noho ny ZES, hoy i Freddy Mahazoasy


  • Talata 13 Febroary 2018

Hisy ny vela-kevitra faharoa mikasika ny fampiasam-bola stratejika mifandraika amin`ity ZES ao amin`ny faritra DIANA sy SAVA ny 20 ka hatramin`ny 23 febroary eto Antananarivo ary ny 24 sy ny 25 febroary any Antsiranana. Hanasana ireo mpamatsy sy mpampiasa vola eto an-toerana sy avy any ivelany.

Hofaritana sy hodinihana mandritra ny fivoriana eto Antananarivo ny asa sy ireo sehatrasa izay mety hiforona ao anatin`ity tetikasa ary any Antsiranana kosa ny asa fanaovana tombana ara-bola sy ara-teknika eo amin`ny fanatanterahana ny ZES (Zones économiques spéciales) na faritra ara-toekarena manokana. Hiteraka fampandrosoana goavana ho an`ny faritra Avaratry ny nosy ary maro ny fotodrafitrasa fototra hatao ka hiteraka sehatr`asa ho an`ny indostria izany, hoy Atoa Mahazoasy Freddie, filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena sady filohan`ny NBSI. Sehatra hatao laharam-pahamehana ao Andrakaka sy Cap Diego ny lalam-pihariana toy ny fambolena, ny fiompiana, ny fanodinana herinaratra amin`ny alalan`ny angovo azo havaozina. Hotrandrahana ihany koa ny fizahantany satria hisy ny fametrahana  seranam-piaramanidina sy seranan-tsambo, hoy hatrany ity solombavambahoaka ity. Na mbola marefo aza ny fametrahana ny tetikasa Faritra ara-toekarena manokana na ZES eto Madagasikara dia hiroso hatrany ny fitondrana hanatanterahana azy.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Harin-karena faobe
  • Zoma 27 Novambra 2026

Niakatra 0,3% na nitaha ny

  • Toekarena,
  • Alarobia 25 Novambra 2026

diplaomasia, jeopolitika

  • Faha-100 taonan’ny
  • Alatsinainy 23 Novambra 2026

vola taratasy voalohany

  • Toekarena
  • Zoma 20 Novambra 2026

FANOMEZANA HERY ARA-TOEKARENA NY VEHIVAVY

  • Angovo azo avy
  • Alakamisy 12 Novambra 2026

amin'ny masoandro

  • Hakarina ny
  • Alarobia 11 Novambra 2026

12% ny fampidiran-ketra

Hijery ny tohiny
FTT