Toekarena

ANDOHARANOFOTSY Tonga nitsirika ny asa fanamboaran-dalana ny Ben’ny tanàna


  • Sabotsy 01 Aprily 2017

Tonga nitsirika sy nanara-maso ny asa fanamboaran-dalana vatsian’ny minisiteran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana ao Ambohimanala sy Ankadiefajoro izay mampitohy ny fokontany Morarano sy Ambohimanala omaly ny Ben’ny tanàna ao an-toerana Ranirison Hasina Nirin’ny Aina.

Mandeha araka ny tokony ho izy ny asa. Lalana mirefy 190 metatra lineera  in’efatra no efa vita, toraka izany koa ny lakan-drano mirefy 595 metatra lineera. Afa-po tamin’ny fahavitan’ny asa ny  Ben’ny tanàna amin’ny ankapobeny, lalana izay marihina fa hatao rarivato avokoa. Mitotaly 1.600 metatra lineera izy rehetra. Ezahina hovitaina ao anatin’ny roa volana sy tapany ny asa, lalana izay tsiahivina fa hampiasain’ny mponina avy any Ankadivoribe ihany koa hamonjeny ny lalam-pirenena fahafito. Miantso ny vahoaka mba hanaraka  ny fandaminana ny Ben’ny tanàna hanafaingana ny asa.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT