Toekarena

Ampitatafika Anisan’ireo kaominina 1.000 nahazo ny FDL


  • Alarobia 12 Jolay 2017

Notanterahina nanomboka omaly tetsy Anosy ny fanofanana ireo Ben’ny tanàna sy mpitantam-bola ary ny lehiben’ny distrika ho an’ireo kaominina voafantina nahazo ilay famatsiam-bola “Fond de Développement Local”

 

 na tantsoroka fampandrosoana ifotony avy amin’ny fitondram-panjakana izay 200 tapitrisa ariary isaky ny distrika. Ny hanomezana azy ireny paikady entiny mandrafitra tetikasa hampiasana ny volam-panjakana no tanjona, hoy Radavidson Richard, talen’ny fanamafisana ny fahaiza-manao eo anivon’ny FDL. Ho an’ny kaominina Ampitatafika manokana izay anisan’ny voafantina dia  entiny hanamboarana ny tsena io vola azon’izy ireo io, araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina. Tafiditra ao ny fanaovana angara vaovao, ny fametrahana latabatra vaovao ao amin’ny tsena. Tanjon’ny kaominina ny mampiakatra ny vola azo eo anivon’ny tsena hanjary ho 6 tapitrisa Ar isam-bolana raha 2 tapitrisa Ar teo aloha.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT