Toekarena

Ampihimamba amin’ny lavanila “Mety hampikatona ny tsenan’ny AGOA”, hoy i Roland Ratsiraka


  • Talata 11 Oktobra 2022

Mety hikatona ny orinasa zone franche manondrana akanjo mankany Etazonia amin’ny alalan’ny AGOA (African Growth Opportunities Act) raha tanteraka ny AMI (Appel à Manifestation d’Intérêt) izay karazana ampihimamba

ataon’ny CNV (Conseil National de la Vanille)”, hoy ny depiote Roland Ratsiraka tao amin’ny pejin-tserasera Facebook-ny omaly. Nambarany fa ny praiministra Christian Ntsay tamin’ny alakamisy 6 oktobra lasa teo dia namory ny mpamatsy vola sy ny ambasadaoro rehetra tao Mahazoarivo momban’ny lavanilo. “Mazava ny nambaran’izy ireo, raha tanteraka io ampihimamba io dia hiato ny AGOA, fanondranana entana tsy mandoa haba mankany Etazonia, hoy hatrany ity depiote ity. 40.000 mahery ny isan’olona nambarany fa ahiana ho very asa ary mihoatran’ny 300 tapitrisa dolara ny vola vahiny very ka mila mandray andraikitra ny filoha Andry Rajoelina. Tsy vao sambany ity olom-boafidy mpanohitra fitondrana ity no nitondra kiana momba ny seha-pihariana lavanila sy ny maro hafa tahaka ny lodisia, jirofo,… Nanakiana sy nanenjika mafy ny mpandraharaha goavana iray akaiky ny Filoha ho mpanao ampihimamba ary tsy maintsy mandalo eo ambany masony ny fahazoan-dàlana manondrana tahaka ny resaka lodisia. Ny resaka lavanila indray, izy tenany mihitsy no niditra an-tsehatra nitety ny faritra mpamokatra toy ny tany SAVA, izay nisy fotoana za toa nifamafa “trace” tamin’ny Filoha Rajoelina. Eo ny politika fa toa efa tena miitatra any ekonomika ny endrika tsy fitovian-kevitra na fifandirana misy. Ny an’iza ny marina ary ny an’iza no diso satria ny ankilany ihany koa mivoy mafy ny resaka fitadiavana lalambarotra ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT