Toekarena

Amoron’i Mania Manana izy raha harena voajanahary


  • Alakamisy 17 Aogositra 2023

Faritra iray ao anatin’ny faritanin’i Fianarantsoa ny Faritr’Amoron’i Mania. Manana velarantany 16.141 km² izy, distrika miisa 5, kaominina 55, fokontany miisa 788,

raha ny antotan’isa voaray farany teo anivon’ny sampandraharaha mikirakira ny antontan’isa na ny INSTAT. Ara-toetr’andro dia faritra matetika iharana loza voajanahary iny faritra iny. Mafana sy avy orana izy eo amin’ny volana novambra hatramin’ny aprily eo. Manodidina ny 1.100 hatramin’ny 1.500mm isan-taona ny fiakaran’ny rano. Mety ho tafakatra hatramin’ny 28°C kosa ny maripana eo. Ny may hatramin’ny oktobra kosa no fotoanan’ny main-tany dia mety ho tafidina hatrany amin’ny 10,7°C eo ny maripana. Tombanana ho manana mpifidy miisa 297.894 ny Faritra Amoron’Imania ary manana mponina 833.919, raha ny antotan’isa voaray hatramin’ny fifidianana farany ny taona 2018 teo.
FOTO-DRAFITRASA
Manana foto-drafitrasa ihany ny Faritra Amoron’i Mania amin’ny ankapobeny. Hopitaly miisa 4 no ao. CSB II miisa 55 raha ny antotan’isa hatramin’ny taona 2009. Miisa 24 ny kazerina natokana ho an’ny zandarimariam-pirenena. Miisa 949 ny EPP na sekoly miankina amin’ny fanjakana, lisea 9, oniversitem-panjakana iray. Ny 76,4%n’ny lalana dia azon’ny karazam-piara madinika aleha mandritry ny taona. Azon’izay karazam-piara izay aleha koa ny 10,9% amin’ny fotoanan’ny main-tany. Tsy voafaritra kosa ny fepetra ho an’ny 32,7%. Ny 9,09%n’ny tokantrano no voavatsy herinaratra. 3,64% no voavatsy rano. Ny lalam-pirenena faha 7 na RN7, ny RN34, RN35, RN41 no lalam-pirenena diavin’ny faritr’Amoron’Imania.
FAMBOLENA SY FIOMPIANA
Manana velaran-tany mahavokatra mirefy 270.000ha ity faritry ry zareo betsileo ity. Mirefy 119.134ha kosa no miasa, raha ny antotan’isa voaray farany. 48.381ha no misy voly vary. Manarakaraka azy ny voly mangahazo izay amina velaran-tany 14.434ha ary fahatelo ny katsaka, amina velaran-tany 11.562ha. Ny fiompiana omby, kisoa, ondry kosa no tena manavanana ireo mponina.


HARENA VOAJANAHARY
Raha ny mikasika ny harena an-kibon’ny tany kosa indray dia ahitana toeram-pitrandrahana vato fampiasa na “pierre industrielle” toy ny “graphite”, vohibory, “androyen” any an-toerana. Misy toeram-pitrandrahana vato sarobidy toy ny “quartz”, “nickel”, “cuivre”, “calcaire”, “zircon”. Ho an’ireo harena voajanahary hafa dia manana farihy, renirano ary korian-drano na “chute d’eau” koa i Amoron’Imania ka ahitana izany rehetra izany ao Tsiribihina, Mania, Izanaka, Ikely, Imorona, Ivato, Mitody, Manambaroa, Fanindrona, Fisakana, raha ny fampitam-baovao voaray farany hatrany. Izany hoe manana izy raha harena voajanahary. Nangonin’i J. Mirija Andro iray, faritra iray Amoron’i Mania Manana izy raha harena voajanahary Faritra iray ao anatin’ny faritanin’i Fianarantsoa ny Faritr’Amoron’i Mania. Manana velarantany 16.141 km² izy, distrika miisa 5, kaominina 55, fokontany miisa 788, raha ny antotan’isa voaray farany teo anivon’ny sampandraharaha mikirakira ny antontan’isa na ny INSTAT. Ara-toetr’andro dia faritra matetika iharana loza voajanahary iny faritra iny. Mafana sy avy orana izy eo amin’ny volana novambra hatramin’ny aprily eo. Manodidina ny 1.100 hatramin’ny 1.500mm isan-taona ny fiakaran’ny rano. Mety ho tafakatra hatramin’ny 28°C kosa ny maripana eo. Ny may hatramin’ny oktobra kosa no fotoanan’ny main-tany dia mety ho tafidina hatrany amin’ny 10,7°C eo ny maripana. Tombanana ho manana mpifidy miisa 297.894 ny Faritra Amoron’Imania ary manana mponina 833.919, raha ny antotan’isa voaray hatramin’ny fifidianana farany ny taona 2018 teo.
FOTO-DRAFITRASA
Manana foto-drafitrasa ihany ny Faritra Amoron’Imania amin’ny ankapobeny. Hopitaly miisa 4 no ao. CSB II miisa 55 raha ny antotan’isa hatramin’ny taona 2009. Miisa 24 ny kazerina natokana ho an’ny zandarimariam-pirenena. Miisa 949 ny EPP na sekoly miankina amin’ny fanjakana, lisea 9, oniversitem-panjakana iray. Ny 76,4%n’ny lalana dia azon’ny karazam-piara madinika aleha mandritry ny taona. Azon’izay karazam-piara izay aleha koa ny 10,9% amin’ny fotoanan’ny main-tany. Tsy voafaritra kosa ny fepetra ho an’ny 32,7%. Ny 9,09%n’ny tokantrano no voavatsy herinaratra. 3,64% no voavatsy rano. Ny lalam-pirenena faha 7 na RN7, ny RN34, RN35, RN41 no lalam-pirenena diavin’ny faritr’Amoron’i Mania.


FAMBOLENA SY FIOMPIANA
Manana velaran-tany mahavokatra mirefy 270.000ha ity faritry ry zareo Betsileo ity. Mirefy 119.134ha kosa no miasa, raha ny antotan’isa voaray farany. 48.381ha no misy voly vary. Manarakaraka azy ny voly mangahazo izay amina velaran-tany 14.434ha ary fahatelo ny katsaka, amina velaran-tany 11.562ha. Ny fiompiana omby, kisoa, ondry kosa no tena manavanana ireo mponina.
HARENA VOAJANAHARY
Raha ny mikasika ny harena an-kibon’ny tany kosa indray dia ahitana toeram-pitrandrahana vato fampiasa na “pierre industrielle” toy ny “graphite”, vohibory, “androyen” any an-toerana. Misy toeram-pitrandrahana vato sarobidy toy ny “quartz”, “nickel”, “cuivre”, “calcaire”, “zircon”. Ho an’ireo harena voajanahary hafa dia manana farihy, renirano ary korian-drano na “chute d’eau” koa i Amoron’Imania ka ahitana izany rehetra izany ao Tsiribihina, Mania, Izanaka, Ikely, Imorona, Ivato, Mitody, Manambaroa, Fanindrona, Fisakana, raha ny fampitam-baovao voaray farany hatrany. Izany hoe manana izy raha harena voajanahary.
Encadre
AMORON’I MANIA
Velarana :16.141 km²
Velaran-tany mahavokatra : 270.000ha
Distrika : 5
Kaominina :55
Mponina : 833.919

Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT