Toekarena

Amoron'i Mania Ben'ny tanàna 61 nofanin’ny CNaPS


  • Alatsinainy 03 Jolay 2017

Naharitra roa andro ny fiofanan’ireo ben’ny tanàna avy amina kaominina miisa 61 ao anatin’ny faritra Amoron’i Mania, izay natao mba hanatsarana ny fitantanana eny anivon'ny kaominina.

Tsy ny lafiny vola ihany fa ny olona ihany koa, ka ao anatin'izay ny momba ny fiahiana ara-tsosialy. Satria fanoitry ny asa tanterahina ankehitriny ny fanantenana ny amin'ny ho avy izany hoe ny aorian'ny faha-60 taona ka hidirana amin'ny fisotroan-dronono. Izay rahateo no ambaran'ilay teny filamatry ny CNaPS hoe "anio mikarakara, ampitso manan-jara". Nanipika ny maha zava-dehibe ny fiofanana ny solontenan'ny Lehiben'ny Faritra Amoron'i Mania izay nanambara fa anisan'ireo teny ifanomezana ao amin'ny vinam-pampandrosoan'ny Faritra Amoron'i Mania ny fitantanana ara-drariny ny mpiasa eny anivon'ireny rantsamangaikan'ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ireny. Koa masa-bary maito kitoza ny Faritra Amoron'i Mania amin'izao fiofanana omen’ny CNaPS ny kaominina izao. Notsiahivin’Andriamatoa Rakotomila talen'ny fitantanana CNaPS ireo ezaka vitan’ny CNaPS ny amin’ny fanatsarana ny tolotra. Anisan’izany ny fampitomboana 100% ny volan'ny bevohoka sy ny mpitaiza kely ary ny fiakarana 20% ho an’ny vola fanome ireo niharam-boina am-perinasa sy voan’ny aretina vokatry ny asa ary ny fisotroan-dronono. Ny fanatsarana ankapobeny ny lalàna mifehy ny fiahiana ara-tsosialy koa dia efa vita raha ny teo anivon'ny Tahirim-pirenena no asian-teny saingy miandry ny fankatoavan’ny mpanao lalàna ny rehetra, hoy hatrany izy.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT