Toekarena

Ambohidratrimo Efa mandeha ny asa fanamboarana ny lalan’ny atody


  • Alarobia 18 Novambra 2020

Efa mandeha ny asa fanamboarana ilay lalan’ny atody mirefy 10 km

 

 

 

mampifandray ny kaominina Mahitsy amin’ireo kaominina efatra manodidina azy izay mpamokatra atody mamatsy an’Antananarivo sy Madagasikara amin’izao. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny fanjakana Malagasy sy ny masoivohon’i Sina no angady nananana sy vy nahitana izany izay mitentina amina miliara maromaro raha araka ny fanazavan’ny solombavambahoaka Jhonny Rakotoarisoa voafidy tany amin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Ho an’ny ao amin’ny kaominina Antanetibe Mahazaza manokana dia hatao tara ny lalana hahafahana mamoaka ny vokatra. Vaky mantsy ny atody raha ratsy ny lalana raha araka ny fanazavan’ity solombavambahoakan’Ambohidratrimo ity hatrany izay mamelona ankohonana maro. Nomarihiny manokana moa fa mbola misy lalana 5 km hafa hangatahiny hatao tara amin’ireo Sinoa mpamatsy vola ihany koa koa andrasana izay mety ho vokatr’izany. Notsiahiviny manokana moa fa tsy misy hifandraisany amin’ireo tera-tany Sinoa mpanamboatra lalana velively ireo vokatra atody marobe ao anatin’ity distrika hiadidiany ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT