Toekarena

Ambodivoanjo Ivandry Lasa toerana malaza ahitana tranombarotra goavam-be


  • Sabotsy 18 Martsa 2017

Lasa toerana malaza ahitana tranombarotra goavam-be ankehitriny ny eny Ambodivoanjo Ivandry.

Nifindra eny an-toerana nanomboka tamin’ity herinandro ity ny La grande épicerie de Tana izay teny amin’ny Pulman no nahitana azy teo aloha. Ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa amina toerana malalaka kokoa, misy toby fiantsonana no antony namindrana toerana ity tranombarotra lehibe iray ity, araka ny fanazavana azo. Lohalaharana ny renim-pianakaviana amin’ny fitadiavana ireo karazana kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro manomboka amin’ny sakafo ka hatramin’ny kojakoja sy fitafiana natokana ho an’ny zaza. Tsiahivina moa fa misokatra manomboka amin’ny 6 ora sy sasany maraina ka hatramin’ny 9 ora sy sasany alina ity tranombarotra iray ity izay hiitatra hatramin’ny 10 ora sy sasany alina isaky ny zoma sy sabotsy. Misy ny toerana hahafahana misakafo maivana mandritra izany.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT