Toekarena

Amboanana-Arivonimamo Nanolo-tanana amin’ny famatsian-drano ny Amerikanina


  • Sabotsy 15 Aprily 2017

Nahazo rano fisotro madio ny fokontany Alarobia kely sy Ambohimanambola samy ao amin’ny kaominina Amboanana Distrikan’Arivonimamo.

Fotodrafitrasa azo tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny misionera amerikanina, manatanteraka asa sosialy sy fampandrosoana eto Madagasikara izy ity. Araka ny nambaran’ny Ben’ny tanàna dia anisan’ireo fokontany mijaly rano teo anivon’ny Kaominina Amboanana ireto Fokotany roa ireto, nefa ankehitriny dia samy nahazo paompin-drano iray avy, miampy efitrano fidiovana miisa telo ho an’ny EPP Ambohimanambola. Loharano avy eny an-tendrombohitra no notarihina hatoby ao amin’ny siniben-drano, ary io indray no mamatsy ny paompin-drano. Mitentina 240 tapitrisa Ariary ny tentim-bidin’ny fanamboarana, ka ny 10% tamin’io dia finiavana avy amin’ny mponina mpahazo tombontsoa. Malagasy an-tapitrisany eny anivon’ny kaominina sy ny fokontany ambanivohitra no mbola mivelona amin’ny rano tsy azo antoka raha ny nambaran’ny solombavambahoaka Rakotomanjato Rodin, voafidy tao amin’ny Distrikan’Arivonimamo, ka anaovan’ity farany antso avo amin’ny fitondram-panjakana sy ny tompon’andraikitra voakasika ny hamahana olana.

Nangonin’i Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT