Toekarena

Ambatovy Miara-miasa amina orinasa 400


  • Talata 07 Jona 2022

Orinasa goavana eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, fantatra amin’ny fitrandrahana nikela sy kobalta i Ambatovy.

Ny taona 2008 no nanomboka ny dingana fametrahana azy, ka mahatratra 8 miliara dolara ny fampiasam-bolany eto Madagasikara Nahatratra 18 000 ny mpiasa nanangana azy tamin’izany. Nanomboka ny 2012 kosa no tena niasa sy miodina, ka mahatratra eo 3600 ny mpiasa mivantana ho an’ny ao Toamasina, ary manodidina ny 1000 kosa ny ao Moramanga. Ny orinasa Sumitomo Corporation sy ny Kommir no tompon’ny petra-bola ao anatin’ny orinasa ankehitriny. Mahatratra 400 kosa etsy andaniny ny orinasa samihafa miara-miasa aminy, ka mampiakatra ho an’aliny ny ireo asa miankina amin’Ambatovy. Ankehitriny, manana ny ivon-toeram-panofanany manokana ihany koa Ambatovy hanomanany ireo taninketsa hiasa ao amin’ny orinasa, ka tanora Malagasy no volavolaina amin’izany. Ezahina hatrany hitondra tombony ambony apanga “valeurs ajoutées” sy tombony ho an’ny toekarena Malagasy na “retombés économiques” ny fiaraha-miasa amin’Ambatovy, ka raha mbola azo vokarina eto, dia ezahina ho orinasa eto Madagasikara no mamokatra sy mamatsy an’Ambatovy amin’ny fiaraha-miasa atao, hoy ny eo anivon’ity orinasa goavana ity.

Orinasa goavana voalohany eto Madagasikara amin’ny fitrandrahana nikela sy kobalta i Ambatovy
EVISOSY SMEM, MAMOKATRA IREO BARIKA
Anisan’ny mpiara-miasa amin’izy ireo, ny Eviosys Société Malgache d’Emballage Mettaliques ao Toamasina, rantsan’ny orinasa iraisam-pirenena, mpamokatra ireny fonon-javatra sy boaty vita amin’ny vy ireny na fantatra amin’ny hoe: “emballage mettalique” izay mamokatra ireo barika hasiana ny nikela sy kobalta haondran’Ambatovy. Na orinasa iraisam-pirenena aza ny Eviosys SMEM dia Malagasy avokoa ny mpitantana sy ny mpiasa, izay manome asa mivantana 63 eo, ary manodidina ny 20 kosa ny mpiasa tsy raikitra antsoina rehefa betsaka ny tolotr’asa. Izy amin’ny ankampobeny no mamokatra ireo boaty sy barika fasiana entana, menaka, solika… Manome 15% amin’ny tsenan’asan’ity orinasa ity ny fiaraha-miasa amin’Ambatovy. Naneho moa ny orinasa Ambatovy, fa mitondra anjara biriky hatrany ho an’ny toekarena sy ny sosialy, ka isan’ny misitraka izany tanànan’i Toamasina. Efa nisy ohatra ny fanomezana fiara famonjena voina, milina mpihary herinaratra,… Araka toekarena, ankoatra ny asa entiny, isan’ny mampidi-bola betsaka indrindra amin’ny kitapom-bolam-panjakana amin’ny resaka hetra sy haba i Ambatovy.
Ato amin’ny Eviosy SMEM no hamokarana ireo barika hasiana ny nikela sy kobalta aondran’Ambatovy.
Toky R
Nanangona sy nandrindra: Toky RAFALIMANANA
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT