Toekarena

Ambatovy Hiverina hisokatra


  • Alakamisy 12 Novambra 2020

Hiverina hisokatra amin’izay ny orinasa Ambatovy ao Toamasina taorian’ny volana maromaro izay nikatonany vokatry ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19 teto amintsika.

 

 

 

Mpiasa miisa 203 hatreto no fantatra fa hampiodina izany voalohany hiverenany tsikelikely amin’ny asa izay hiantsorohany toy ny teo aloha. Tonga nitsidika ity orinasa ity sy nihaona tamin’ireo tompon’andraikitra tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny profesora Hanitrala Jean Louis Rakotovao. Anton-diany tamin’izany ny nijery ilay toerana handraisana ny mpiasa izay tokony hanaraka ny fepetra ara-pahasalamana raha toraka izany koa ny toerana handraisana ireo vahiny any ivelany ahiana hitondra ny valan’aretina. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia anisan’ny toerana nahitana trangana valan’aretina Covid 19 maromaro tao amin’ity orinasa ity volana vitsivitsy lasa izay. Fantatra tamin’izany fa efa vonona tanteraka orinasa amin’ny fanajana ireo lamina sy paikady napetraka hisorohana ny Covid 19. Efa misy ihany koa ny toerana voatokana handraisana ireo mpiasa tratry ny tsy fahasalamana hahafahana miaro ireo maro an’isa.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT