Tafiakatra 55 miliara yens ny fantiantoky ny orinasa Sumitomo Corporation
tompon’Ambatovy ny aprily hatramin’ny jona 2020, araka ny tatitra ny novambra lasa teo. Ny volana septambra no tanteraka ny fialana an-daharan’ny Kanadianina Sherrit International, izay nivarotra ny anjara petra-bolany noho ny krizy sy ny fatiantoka. Miantoka ny 25% amin’ny hetra miditra amin’ny Fanjakana ny orinasa Ambatovy, ka 1272,60 miliara Ar no tsy niditra tao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana no tsy afaka naloany tao anatin’ny enim-bolana voalohan’ny taona 2020 noho ny krizy sy ny tsy fiodinan’ny orinasa, hoy ity orinasa goavana indrindra eto Madagasikara ity. 850 no nalefa nody tany amin’ny fireneny, rehefa nihidy nanomboka ny 6 aprily ny orinasa. Isan’ny nanenjika mafy an’Ambatovy ny mpitondra Fanjakana, ka isan’ny nanao tsindrom-paingotra ny Filoha, izay efa tamin’ny tetezamita no nisy ny karazana lonilony. Na izany aza, manomboka mamerina ireo mpiasa nody any ampitan-dranomasina i Ambatovy, ary efa dinihina ny famerenana ny mpiasa Malagasy 3500, ka kendrena hiodina ny volana febroary indray ny orinasa Ambatovy. 3000 taonina ny vokatra nikela kendrena ao anatin’ny 3 volana voalohany. Miisa 9000 eo ireo mpiasa miankina mivantana sy ankolaka amin’Ambatovy, ka isan’izany ireo tantsaha manodidina ny 3000 mamatsy sakafo toy ny legioma, voankazo, sakafo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.