Toekarena

Ambasadaoro Japone Mila fifidianana madio, mila fitoniana ny mpampiasa vola,...


  • Zoma 03 Martsa 2023

Tao anatin’ny fanamarihana ny fetim-pirenena Japone izay faha-63 taonan’ny Amperoran’i Japon omaly teny Ivandry, naneho ny fahavonany hatrany hiara-hiasa amin’i Madagasikara ry zareo Japone.

Fotoana ihany koa io nanaovan’ny Ambasadaoro Japone tombana mikasika ny fifandraisana ara-diplaomatika eo amin’i Japon sy Madagasikara izay efa 60 taona. Niara-niasa tamin’ny sehatra maro toy ny lafiny fambolena, fotodrafitrasa, fahasalamana, fanabeazana,… Nifampita traikefa ihany koa. Ara-politika, misy lanjany lehibe amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ity taona ity, hoy ny fanamarihany. « Manantena izahay fa mba handeha ao anatin’ny fitoniana sy fahalalahana, ary mba hangarahara sy tsy mitanila ny fifidianana”, hoy hatrany io Ambasadaoro Japone io. Nambarany fa fotoana ihany koa izao tokony hiverenana mijery sy mandinika lalina hoe : nahoana no tsy mety mandroso i Madagasikara, ka naneho ity Ambasadaoro ity fa vonona i Japon hanolotra sy hifanampy amin’ny drafi-pampandrosoana tena azo tanterahhina sy tena mijery ireo sehatra tena tokony ho laharam-pahamehana. Nanipika moa ny Ambasadaoro Abe Koji fa raha te ho tafavoaka amin’ny fampandrosoana i Madagasikara dia, mila mametraka sy mampandroso ny tontolo ara-pandraharahana tony sy maharitra ho an’ny mpampiasa vola avy any ivelany. Nohamafisiny, fa manana andraikitra mafonja amin’ny fameranana ny fahamarinan-toeran’ny tontolo ara-pampiasam-bola na « climat d’investissement favorable » ho an’ireo mpampiasa vola ny firenentsika. Tena ilaina, hoy izy, ny fametrahana dina sy fifanarahana vaovao mikasika ny fampiroboroboana sy fiarovana ny fampiasam-bola. Iray amin’ireo fampiasam-bola Japone noresahany sy noraisiny ho ohatra moa ny nidiran’izy ireo amin’ny tetikasa Ambatovy izay ny Vondron’orinasa matanjaka Japone Sumitomo no manana ny petra-bola eetsaka indrindra ao, ary io ihany koa no isan’ny tetikasa misy fampiasam-bola goavana indrindra eto Madagasikara. Nambarany fa misy akony lehibe amin’ny toekarena Malagasy amin’ny sehatry ny famoronan’asa sy tamberiny lehibe amin’ny Fanjakana i Ambatovy. Momba ny fiaraha-miasa hatrany, naneho ihany koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ka samy fahazoana tombony maharitra ity diplaomaty ity. Nambarany mantsy, fa maro ireo orinasa Japone nanana birao sy niasa teto Madagasikara teo aloha, saingy voatery nangoron’entana noho ny antony samihafa. Io no heverina fa isan’ny nahatonga ity diplaomaty ity naneho sy nilaza mivantana fa mila fanatsarana ny tontolo ara-pampiasam-bola eto Madagasikara mba hisian’ny antoka sy fitoniana ho an’ireo mpandraharaha miankina na tsy miankina avy any ivelany maniry ny hampiasa vola eto.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT