Toekarena

AMBANJA Nihena ny isan’ireo tanora tsy an’asa


  • Alarobia 23 Mey 2018

Mbola betsaka ireo tanora tsy an’asa ao anatin’ny distrikan’Ambanja, raha araka ny fanadihadiana natao. Maro amin’izy ireo anefa no nahavita fianarana nefa voatery manao asa tsy mifanaraka amin’ny fari-pahaizany.

  Mba ho fanampiana azy ireo ary dia nosokafana tamim-pomba ofisialy tany an-toerana ny masoivohon’ny Star laharana faha-18. Ny hahafahana manome asa ireo tanora  any an-toerana no tanjona sady hahafahana manatsara ny fiharian-karena ao amin’ity distrika ity ihany koa. Tamin’ny alatsinainy 22 mey teo no notokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa. Fantatra  fa anisan’ny antom-pisian’ny orinasa Star any an-toerana  ihany koa ny mba hahafahana misarika mpizahatany vahiny betsaka, hampitomboana ireo vola vahiny miditra eto amintsika. Tsiahivina fa efa rakotry ny masoivohon’ny Star avokoa manerana ny Nosy ankehitriny, miampy ireo ozinina famokarana hampiasain’izy ireo  miisa enina dia eny Andraharo, Andranovelona, Ambatolampy, Antsirabe, Malto Antsirabe,  ary  Antsiranana.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT