Ambana amin’ny ny vidin-tsolika 2024

Mandamin-dresaka amin’ny GPM ny Fanjakana


  • Zoma 22 Desambra 2023

Nihaona tamin'ireo mpandraharahan'ny solika mivondrona ao amin'ny

GPM (Groupement des Pétroliers de Madagascar) ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta, Ntsay Christian, notronin'ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ary ny ministry ny Angovo sy ny Akoranafo, omaly 21 desambra 2023, teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo. Fivoriana nandinihana ny fiaraha-miasa eo amin'ny vondrona sy ny fanjakana. Nifantoka betsaka tamin'ny famatsiana solika nandritra ity taona 2023 ity, ary ny vinavina 2024 ny dinika. Natao ary noresahina manokana ihany koa ny fifandraisana ara-barotra eo amin’ny JIRAMA sy ny GPM, hoy ny tatitry ny governemanta. Midika izany fa fivoriana stratejika izy ity manoloana ny mety ho fanapahan-kevitra momba ny vidin-tsolika. Efa nandeha ny feo tato ho ato fa ahiana ny mety hiakaran’ny vidin-tsolika amin’io taona ho avy io noho ny antony maro. Miteraka fipoahana eo amin’ny vidim-piainana anefa raha tonga amin’izany. Miankina amin’ny fifampiresahana sy fifandresen-dahatra eo amin’ny Fanjakana sy ny GPM ny mety ho fanapahan-kevitra. Ny andaniny sy ny ankilany izay nafanafana hatrany ny adihevitra teo aloha, ary nisy mihitsy aza ny fifampitoriana teo amin’ny Fanjakana sy ny orinasa ara-tsolika tany aloha noho ny resaka trosa mifampiditra, ny raharaha «réquisition » tamin’ny famatsiana ny Jirama, nandeha hatramin’ny tolo-bidy iraisam-pirenena hafa hamatsiana solika mavesatra ny Jirama,… Mitovitovy tamin’ny fiaingan’i Andry Rajoelina tamin’ny 2019 ihany ny sary, izay raha tsiahivina dia ny volana jona 2019 ilay fifampidinihana sy fifandresen-dahatra nanaovana fampanantenana be momba ny vidin-tsolika, kinanjo 100Ar ny vidinana tamin’izany. Tsy nisitraka ny fijotsoany teo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny Malagasy na dia nitotongana hatrany amin’ny 10 dolara aza ny iray barila. Ny 11 jolay 2022 aza, dia iny niakatra 1500Ar isaky ny litatra iny gazoala, ary 1800Ar kosa ny lasantsy,… saingy tsy nanana vahaolana ara-toekarena sy ara-tsosialy ny Fitondrana, fa nanadala saim-bahoaka tamin’ny resaka bus 1000 ho an’ny teto Antananarivo. Isan’ny tsy dia azon’i Madagasikara hanoharana rahateo ny fisian’ny tsindrin’ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola na PTF amin’ny resaka fampiharana ny vidin-tsolika tena izy na «vérité des prix », ny fialana amin’ny fanentsenam-bola na « subvention » samihafa ataon’ny Fanjakana amin’ireo orinasam-panjakana,… Mbola manampy trotraka an’izay ny fitotonganan’ny vola ariary kanefa ny solika vidiana amin’ny dolara. Manambana indray ny mety hiakaran’ny solika atsy ho atsy dia io mandeha io ny dinika ka asa izay ho fandehany ? Ny irariana dia ny mba ho voatazona amin’izao farafaharatsiny fa raha izay mba ho fidinany aloha dia ho nofy atoandro rehefa zohiana ny tantara hatramin’izay.


Vao niandoha kely ny fe-potoam-piasan’i Andry Rajoelina no natsangana ny orinasa SPM (State Procurement of Madagascar), ka tafiditra tao anatin’io ny fanafarana mivantana ireo entana ilaina andavanandro mba tsy hisian’ny fanararaotana mihoampampana. Tafiditra tao anatin’io ny resaka famatsiana solika fa mby aiza ? Nahomby ve ? Mba nanao ahoana ihany koa ilay resaka « fonds souverains » ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT