Omaly alatsinainy 4 jona no natao tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina ny fikaonan-dohan’ireo mpikambana ao amin’ny “alliance pour l’industrialisation” nahitana ny mpikaroka amin’ny lafiny ara-toekana CREM (Cercle de Reflexion des Economistes de Madagascar), ny FIVMPAMA (FIVondronan’ny MPAndraharaha MAlagasy) ary ny SIM (Syndicat des Industries de Madagascar).
Raha tsiahivina ny “alliance pour l’industrialisation” moa dia nitsangana tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny taona 2017 miara-manaiky fa miainga amin’ny fampiroboroboana ny orinasa Malagasy ny fampandrosoana. Niady hevitra ny amin’ny tokony hatao ny amin’ny fampivoarana ny orinasa Malagasy izy ireo. Iaraha-mahalala fa misy ny vokatra azo aondrana eto Madagasikara kanefa vitsy noho ireo vokatra hafarana. Mitondra fatiantoka mandrakariva izany ary misy vokany ratsy amin’ny toekarena. Nojerena manokana ny fahafahana mamokatra amin’ny alalan’ny fanatsarana ny orinasa Malagasy. Izany indrindra no nanomanan’izy ireo ilay atao hoe “barometre industriel” hijerena voalohany indrindra ny zava-marina misy momba ny Indostria eto Madagasikara. Eo ihany koa ny fitarafana ny ho fampivoarana araka ny tokony ho izy ny orinasa Malagasy hanaraka ireo lalàna mifehy azy ireo tahaka ny lalàna amin’ny asa (code de travail). Ary farany ny ho fanarahana maso akaiky ny amin’ny andraikitry ny fitondram-panjakana, ny tompona orinasa, ny mpampiasa, ny mpiasa ary ny mpanjifa ny amin’ny anjara birikiny ho fampandrosoana ny orinasa Malagasy. Ho hentitra ary tsy hitsitsy araka izany ireo mpikambana ny amin’ny fijerevana ny dingana hataon’ireo tompon’andraikitra ireo eny amin’ireny orinasa Malagasy ireny mba hisian’ilay antsoina hoe “patriotisme économique” izay mifototra amin’ny fampiroboroboana ny Indostria Malagasy.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.