Toekarena

Alarobia Hikatona ny Ivon-toerana fitsaràna fiarakodia


  • Talata 30 Jolay 2019

Tsy hisokatra ny Ivon-toerana fitsaràna fiarakodia (centre de la sécurité routière) eny Alarobia noho ny asa fanamboaran-dàlana mampitohy ny « rond-point » Ivandry sy Tsasarasaotra.

 

 

 Araka izany dia hikatona vonjimaika ary efa nanomboka omaly Alatsinainy 29 jolay 2019 izany mandra-pisokatry ny làlana. Nanentana  ireo mpanjifa  rehetra izay hitsàra fiara ny tompon’andraikitra hanatona ny ivon-toerana fitsaràna fiarakodia eny By-pass/Alasora sy Betongolo ary Ivato. Nanamafy ihany koa izy ireo ny tokony hanatsarana hatrany ny fifamoivoizana ka nanafatra ireo tompona fiara taksibe miasa eto an-drenivohitra mba hanamboatra sy hikarakara ny ao anatiny sy ivelan’ny fiara. Hisy ny fidinana tampoka hanaovana fisavàna ireo fiara mpitatitra olona rehetra handraisana fepetra hentitra hoan’ireo izay mbola minia tsy manara-dalàna.

 

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT