Toekarena

Ala mando atsinanana Ho ringana ihany ny hiafarany


  • Zoma 21 Aprily 2017

Ho ringana ihany ny hiafaran’ny ala mando ao Atsinanana vokatry ny fitrandrahana hazo tsy ara-dalàna, hoy ny WWF (World Wide Fund for Nature). N

 2

anaovan’ity Tahiry manerantany misahana ny voahary ity fanadihadiana manokana moa io toerana mampiavaka an’i Madagasikara io, araka ny tatitra farany navoakany. Voarakitra ao ny fomba namatsiana hazo andramena sy voamboana an’i Sina. Varotra tsy ara-dalàna izay niteraka fatiantoka hatrany amin’ny 200 tapitrisa dolara nandritra ny roa taona ho an’ny fanjakana Malagasy. Mananika ny 200 hatramin’ny 300m3 isan’andro mantsy, ohatra, ny fandripahana ala boaderozy ao amin’ny valanjavaboary nasionaly ao Masoala sy Marojejy, anisan’ireo 6 mandrafitra ny faritra. Ho lany tamingana miaraka aminy rahateo ireo biby samihafa miaina ao aminy toy ny 90% maherin’ireo karazana sifaka. Midadasika amin’ny velarana 500.000 ha izay ahitana ny 80%-n’ireo vondrom-biby sy zavamaniry tsy fahita afa tsy ao amin’ity vakoka iraisampirenena ity. Ao anatin’ny lisitry ny vakoka tandindomin-doza ny ala mando ao Atsinanana hatramin’ny taona 2010. Noraran’ny CITES (Convention on International Trade of Endangered Species) ihany koa ny fanondranan’i Madagasikara boaderozy mankany ivelany ny taona 2013.

Nangonin-dRamano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT