Namondrona ny heriny nentina nanohanana ny “Foire Internationale de Madagascar” andiany faha-13 izay nifarana omaly alahady teny amin’ny zone Forello expo Tanjombato ny Air Madagascar sy ny Air Austral.
Ho an’ny Air Madagascar manokana dia izy no mpitatitra ofisialin’ny foara. Anisan’ny asa nosahanin’izy ireo tamin’izany ny famaliana ny hetahetan’ireo mpandraharaha nandray anjara na tonga teny amin’ny FIM nandritra ny efatra andro ho fanandratana sy fanomezan-danja ny vita Malagasy. Mikasika ny fiarahany amin’ny Air Austral indray dia marihina fa tany amin’ny Foire Internationale no nisantaran’ny roa tonta ny hetsika. Tranoheva mirefy 36 sm 2 no nahitana azy ireo izay samy manana tanjona hanome lanja ny vokatra vita Malagasy avokoa. Tsiahivina fa samy manana ny maha izy azy ireto kaompaniam-pitaterana ireto saingy ankehitriny dia tokana ihany ny tanjony toy ny fampitambarana ny hery hisian’ny vokatra tsara sy bebe kokoa. Toraka izany koa ny fampitoviana ny saran’ny fandehanana mitaingina fiaramanidina ka azo atao tsara ny mandeha amin’ny Air Madagascar raha miainga eto an-tanindrazana ho any ivelany ary Air Austral kosa no handehanana rehefa miverina mody. Ny mba hanomezana sarany mahafa-po ny mpanjifa no tanjona.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.