Toekarena

Air Madagascar Mpitatitra ofisialin’ny « Festival des Baleines »


  • Talata 11 Jolay 2017

Tanterahana any amin’ny nosy sainte Marie nanomboka ny 9 ka hifarana ny 16 jolay ho avy izao ny Festival des Baleines andiany faha-3 izay karakarain’ny Cetamada.

 

 Anisan’ireo zava-manan’aina arovana ny trozona, kajiana ihany koa ny faritra onenan’izy ireny.Tafiara-dalana noho izany ny fiarovana ny zava-manan’aina sy ny natiora ary ny fizahantany satria tena mahasarik’olona maro tokoa ity hetsika ity. Ny kaompania Air Madagascar no mpitatitra ofisialy amin’ity taona ity ary dia mandray anjara mavitrika amin’ny hetsika rehetra any Sainte Marie izy. Manana tranoheva ary tazana tamin’ny filaharam-be namakivaky ny tanàna ihany koa ho fisantarana ny Festival des Baleines. Mampiseho ny maha izy azy, maka ny toerany eo amin’ny sehatra rezionaly sy iraisam-pirenena ny Air Madagascar, hoy ny tale jeneraliny, Hery Nirina Rakotomalala. Mipetraka ho singa iray hampiroboroboana ny fizahantany eto Madagasikara ny Airmad, hoy hatrany izy. Ho an’ny minisitry ny fizahantany Roland Ratsiraka kosa dia zava-dehibe ny hananan’ity kaompania nasionaly ity anjara toerana lehibe amin’ny zava-misy sy mitranga eto ary tokony hotohizana ny ezaka, hoy izy.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT