Toekarena

Air Madagascar Mbola mibaby trosa 250 miliara ariary


  • Zoma 09 Febroary 2018

Mbola lavitr’ezaka ny fanarenana ny Air Madagascar satria dia mibaby trosa maherin`ny 300 miliara Ariary ity kompaniam-pitaterana ity ka 50 miliara Ariary no efa voailika, izany hoe mbola misy 250 miliara ariary tsy maintsy efaina. Tsy handoa sy hanadio ny trosan`ny kompania Malagasy akory ny tanjon` ny fiaraha-miasa eo amin`ny ``Air Madagascar`` sy ny ``Air Austral`

 

` hoy ny Tale jeneralin’ny kompania, Besoa Razafimiharo, fa ho fanarenana amin`ny laoniny ity orinasam-pitaterana Malagasy ity. 100 andro taorian`ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny “Air Madagascar” sy ny “Air Austral”, efa miroso tsikelikely ny fanarenana ny kompaniam-pitaterana Malagasy. Efa an-dalàna anefa izany ka amin`ny alalan`ny Buisiness Plan ``Alefa 2027`` no lalan-jotra hanatanterahana ny drafitra stratejika nifanarahan`ny roa tonta mba ho entina hanatsarana ny fitantanana sy ny kalitaon`ny tolotra omena ho an`ny mpanjifa. 

Mila 10 taona

Ao anatin’ny folo taona no hamitana ny drafitra fanovana “Alefa 2027” ka mizara roa ny tetiandro ary ny telo taona voalohany no fotoana hanarenana an`i Air Madagascar. Tanjona ho tratrarina ao anatin`izany fiarahamiasa izany dia ny fanajana ny 85% ny ora fiaingana sy ny fahatongavan`ny sidina. Hampitomboana koa ny sidina mandroso sy miverina ho an`ny faritra eto  Madagasikara sy mankany amin`ireo Nosy rahavavy amin`ny alalan`ny Tolotra Tsaradia izay hatomboka ny volana aprily ho avy izao. Amin`ny volana jolay 2018 indray, ho lasa in-dimy  isaky ny herinandro ny sidina Antananarivo Frantsa raha in-droa teo aloha ka sidina efatra mizotra any Paris ary iray kosa any Marseille. Manaraka izany dia hisy tolotra vaovao toy ny tapakila tokana TGV AIR izay ahafahan’ny mpanjifa mandray fiaramanidina eto Antananarivo sady mandeha lamasinina haingam-pandeha rehefa hihazo ny toerana hivantanany raha ho any Frantsa.


Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT