Toekarena

Ahiana hihamafy ny krizy Hangidy ny fanefana trosa amin’ny 2021


  • Alakamisy 24 Desambra 2020

Ho sarotra ny hiatrehan’ny Malagasy ny taona vaovao 2021 noho ny zava-misy iainan’ny firenena.

 

 

Izao vao tena ho hita ny fiantraikan’ny krizy na efa nilaza aza ny Banky Iraisam-pirenena ny 16 desambra teo fa niampy 1,4 tapitrisa ny olona fadiranovana, ary niakatra ho 77,4% ny tahan’ny mahantra eto Madagasikara izay taha ambony indrindra tao anatin’ny 8 taona. Tsy nanana vahaolana sy sori-dàlana mazava momba ny fanarenana ara-toekarena ny Fanjakana, kanefa ny 64% tamin’ny mpiasa no niato noho ny krizy. Nandeha ny fampitrosana manara-penitra, izay nakana ny volan’ny CNaPS sy niarahana niombon’antoka tamin’ny banky tsy miankina. Nireharehan’ny Fitondrana, saingy vola tsy maintsy hefain’ny mpiasa ny findramam-bola mitovy amin’ny karamany, izay haverina manomboka ny volana janoary izao. Ho banga ao anatin’ny 12 volana ny karama satria ao anatin’io fe-potoana io no hanefana ny vola nindramina. Manginy fotsiny ny tambatry ny faktioran’ny Jirama, izay maro ihany koa ny mpanjifa mbola mizaka trosa. Misy anefa ny firenena mahavita tsy nampandoha herinaratra ny mpanjifany hatramin’izao fiafaran’ny taona izao, toa an’i Ghana ka aiza ho aiza amin’izany i Madagasikara nolazaina fa ho sangany aty Afrika sy hanarina izao tontolo izao. Ny sehatra rehetra anefa eto mbola tsy tena miodina, maro ny orinasa mbola tsy tafarina. Ny sehatry ny fizahantany aza, ohatra, dia misy mihitsy ireo mpandraharaha milaza fa tsy ho voaarina ao anatin’ny 5 taona ny voka-dratsin’ny krizy lasa teo.

TSISY SORI-DALANA SY PAIKADY MAZAVA

 Mbola baraingo tanteraka ny ho avy ara-toekarena sy ara-tsosialy eto Madagasikara, raha toa ka efa manana drafi-panarenana ny firenena maro, ary manana fe-potoana mazava. Ny Banky iraim-pirenena maneho fa efa -4,2% ny tahan’ny harin-karena. Ny mpitondra mahita fa ho 4,5% ny tahan’ny harin-karena amin’io 2021 io, raha toa ka 2% no ambaran’ny Banky Iraisam-pirenena izay mbola arahina fepetra hoe miodina tsara ny toekarena ary tsy misy onja faharoa na “2ème vague” ny covid-19. Tsy tena mazava ny sori-dàlana ho antsika. Mbola any amin’ny fanatanjahantena no nakarina 150,8% ny tetibola. Ny resaka fanatanjahantena avo lenta fotsiny no hanokanana 118,9 miliara ariary. Rehefa mba misy manakianina amin’izany ve dia lazaina fa mpanakorontana sy te hanongam-panjakana ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT