Toekarena

Agence Première Ligne 50 isa ny « salons » vita tao anatin’ny 20 taona


  • Zoma 19 Janoary 2018

Nambaran’ny mpitantana ny Agence Première Ligne, Michel Dominichini-Ramiaramanana, tetsy Antaninarenina omaly alakamisy 18 janoary fa nandritra ny 20 taona (1998-2018) dia « salons » niisa 50 no tontosa teo ambany fitarihan-dry zareo.

 Amin’ity taona 2018 ity indray dia hetsika iraisam-pirenena 5 be izao no hifandimby hokarakaraina eny amin’ny Forello Expo Tanjombato ka hisantatra izany amin’ny 22-25 martsa ny Asia andininy faha-3. Hanaraka eo ny FIM 2018 hotanterahina ny 03-06 mey 2018 ka hifandrindran-dalana amin’ny fanamarihana ny hetsika faha-50 nokarakarain’ny agence Première Ligne. Hifanindran-dalana amin’ny fanamarihana ny faha-60 taonan’ny SIM kosa ny « Salon de l’industrie de Madagascar » hotontosaina ny 21-24 jona 2018. Ny « Foire Internatinale de l’Agriculture no hetsika faha-4 izay hatao ny 13-16 septambra 2018 ary farany ny « Salon Interanational de l’Habitat  à Madagascar » andiany faha-20 hotontosaina ny 25-28 oktobra 2018.

Fa izay goavana indrindra dia ny nanambaran’ny biraon’ny fikambanana CEOI na “Carrefour des Entrepreneurs de l’Océan Indien” 17 taona niorenana ofisialy fa lany ho « Administrateur Délégué Général » ao aminy Atoa Dominichini-Ramiaramanana.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT