Toekarena

Afera Razaimamonjy Claudine Manazava ny Fitantanana ankapoben’ny hetra


  • Alatsinainy 02 Martsa 2020

Nisy ny fanitsiana sy fanampim-panazavana nalefan’ny Fitantanana Ankapoben’ny Hetra mahakasika ny raharaha Razaimamonjy Claudine.

 

Tsiahivina fa ny zoma 28 febroary teo no niroso tamin’ny fakàna ny entanan’io mpandraharaha io ny Fanjakana. Natao izany ary natrehan’ny ireo tompon’andraikitra nisolo tena ny Fitantanana Ara-ketra miaraka tamin’ny vadintany sy ny mpitandro ny filaminanana. Araka ny fanazavana dia tsy ny teo anivon’ny Hotely A&C ihany no nakàna ny entana, tahaka ny malaza ao amin’ny tambajotra sosialy, fa voakasika amin’izany ihany koa ireo fananana manontolo mihitsy (patrimoine). Araka ny fampitam-baovao ihany koa dia natao tamin’ny fanarahan-dalàna sy ny fanajana ny zo maha-olona ny zavatra notanterahana rehetra. Tahaka izany ihany koa dia nisy ny fakàna ny entan’i Mbola Rajaonah teny Ambohimangakely ny sabotsy 29 Febroary lasa teo. Fampiharana ny lalàna velona sy manankery izany rehetra izany ary heloka ara-ketra (frauds fiscales) no antony nirosoana tamin’izany hoy ny tatitry ny fanambarana. Ankoatr’izay dia angom-baovao azo avy amin’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (BIANCO) sy ny Sampan-draharaha Malagasy Iadiana amin’ny famotsiam-bola sy famatsiam-bolan’ny fampihorohoroana (SAMIFIN) no nanatanterahana ny asa. Mitohy hatrany ny fanadihadiana mahakasika izany ary andrasana ny ho tohin’ny raharaha.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT