Toekarena

Ady amin’ny fandoroana ala Hangataka fiaraha-miasa amin’ny minisitera hafa ny minisiteran’ny tontolo iainana


  • Alarobia 04 Martsa 2020

Tsy maintsy jerena ny vokatra voalohany nametrahana ny politika faoben’ny fambolen-kazo, hoy ny minisitry ny tontolo iainana, Baomihavotse Vahinala Raharinirina.

 

Misy ny traikefa sy lesona azo alaina tamin’ny vita momba izay tamin’ny taon-dasa. Tsapa fa tsy maintsy manao fambolen-kazo mampandray anjara ny eny ifotony isika. Ampidinina any amin’ny distrika sy kaominina ary fokontany mihitsy izany, hoy hatrany ny fanazavany. Misy fomba maro azo hambolen-kazo. Eo ireo tamin’ny alalan’ny fiaramanidina fa eo koa ny olombelona. Eo ny resaka “Drone” na voangorivy, izay hojerena avokoa ny taham-pahombiazan’ireny. Ny fiaraha-mientan’ny herivelona rehetra, izay isaorana, na orinasa io na fikambanana, no antok’ireny fahombiazana ireny, hoy hatrany izy. Lojika raha nipetraka ny ahiahin’ny teknisianina mikasika ilay voa nafafy tamin’ny fiaramanidina satria izay no maha traikefa voalohany azy. Aorian’ny tombana no hahafahana mijery hoe hotohizana sa tsia ny fampiasana fiaramanidina. Herim-po very maina ny fambolen-kazo, raha tsy misy fanaraha-maso, ary hiverenana hanentanana ilay herivelona voalaza teo. Tany Boeny izahay tamin’ity herinandro ity ary nahita aloha fa naniry ny 90%-n’ireo hazo nambolena tany. Hapetraka ny ady amin’ny fandoroana ala ary hangatahako fiaraha-miasa amin’ireo minisitera hafa sy mpitandro filaminana, hoy izy. Mikasika ny andro maneran-tany fiarovana ny fiainana ara-javaboary nankalazaina omaly moa dia nampita hafatra ny minisitra fa notahian-janahary i Madagasikara satria ny 90%-n’ny biby sy ny zava-manan’aina eto, ohatra, dia tsy fahita maneran-tany. Tombontsoam-pirenena satria misarika mpizahatany izany. Misy fiantraikany lehibe amin’ny toekarena fa mandray anjara be dia be amin’ny fiainantsika andavanandro koa ireny satria mbola mahatonga antsika hanana rano fisotro sy toerana azo hambolena ireny biby sy ala ireny ka adidintsika ny miaro izany, hoy izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT