Toekarena

Ady amin’ny famotsiam-bola Tsy vitan’ny SAMIFIN samirery


  • Talata 13 Jona 2017

Tanjon’ny Samifin (Sampandraharaha Malagasy iadiana amin’ny famotsiam-bola sy ady amin’ny famatsiambola ny fampihorohoroana) ny ho mpikambana ao anatin’ny vondrona Egmont amin’ny taona 2018.

 

 Eo amin’ny dingana fangatahana no misy an’i Madagasikara ankehitriny. Vahiny mpanara-maso voaasa manokana hanatrika ny fivorian’ity vondrona ity rahateo ao Macao ny Samifin ny volana jolay 2017 izao, hoy ny tale jeneraliny Lamina Boto Tsaradia. Ho avy eto ihany koa hanao tombana ny fahafaha-manaon’ny rafitra miady amin’ny famotsiambola sy famatsiana ny fampihorohoroana eto Madagasikara ireo firenena mpiahy ahitana an’i Frantsa, Maorisy ary Angola ny volana aogositra. Tombontsoa goavana ao anatin’io vondrona manerantany io ny fisitraham-baovao avo lenta sy ireo fomba amam-panao mahomby iraisam-pirenena, hoy ny lehiben’ny Samifin. Tsy vitan’ny sampandraharaha Malagasy samirery mantsy ny ady amin’ny famotsiambola sy ny famatsiambola ny fampihorohoroana. Mila vokatra mivaingana ialàna amin’ny sokajy volon-davenona (zone grise) misy ireo firenena mampiahiahy moa i Madagasikara, araka ny fanamarihany. Fantatra moa fa mikirakira antontan-taratasy 10 isam-bolana mikasika ny famotsiambola ny Samifin.

Nangonin-dRamano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT