Toekarena

Ady amin’ny fahantrana Olona an-jatony no nomen’ny Openflex fiofanana maimaimpoana


  • Alatsinainy 26 Martsa 2018

Olona an-jatony no indray nomen’ny Ong Stileex ahitana ny Openflex fiofanana maimaimpoana ny sabotsy teo, teny amin’ny Forello Expo Tanjombato nandritra ilay “Salon Asia Enjoy Madagascar”

nokarakarain’ny agence de communication la premiere ligne teny an-toerana. Anisan’ireo nanofana tao Atoa Simon Lee,  teratany vahiny noho ny fahatsapany fa betsaka loatra ireo zavatra azo trandrahana sy hahafahana mampidi-bola eto amintsika nefa tsy misy mpijery akory. Mpandraharaha ara-toekarena i Simon Lee. Manana orinasa eto amintsika koa izy ary vonona ny hanoro lalana sy hanampy ireo olona rehetra vonona ny hiditra eo amin’ny sehatry ny fandraharahana. Ny lalana hahafahana miditra mankany amin’ny fahombiazana no novoaboasany tamin’izany izay nomarihiny manokana fa ilana finiavana sy fandavan-tena fa tsy ho azo maimaimpoana akory. Izay indrindra no anton’ny fanofanana, hoy izy hahafahana mampiakatra ny fari-piainan’ny Malagasy mpiray tanindrazana  fa tsy hiaina anaty fahasahiranana foana. Narahina fijoroana vavolombelona  nataona teratany vahiny iray, izay fantatra fa niainga tamin’ny 0 Ar teo amin’ny faha-50 taonany ary efa lasa mpanam-bola ankehitriny, raha toraka izany koa ny fijoroana vavolombelona nataona teratany Malagasy iray nanaraka ny torohevitr’i Simon Lee. Nofaranana tamin’ny fizarana paikady sy tetika hahatongavana any amin’ny fahombiazana moa izany, izay marihina fa tena nahaliana ny olona tokoa. Ho an’ny Openflex manokana izay ao anatin’ity Ong iray ity dia anisan’ny tena hahafantarana azy ireo ny fivarotana ireo karazana logiciel hahafahana manatsara ny fitantanana eo anivon’ny orinasa. Manomboka amin’ny resa-bola izany ka hatramin’ny fanaraha-maso ny mpiasa na dia any ivelany aza ny mpampiasa. Anisan’ny tena nahafantarana azy ireo ihany koa ny fizarana logiciel maimaimpoana.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT