Toekarena

Ady amin` ny fahantrana Famokarana ihany no vahaolana


  • Alatsinainy 31 Aogositra 2020

Raha vahaolana maharitra hiadina amin'ny fahantrana no ilaina dia tsy misy afa-tsy ny famokarana ihany.

 

 Na sehatra fototra toy ny fambolena sy fiompiana na koa ny sehatr’asa sokajy faharoa toy ny indostria sy fanodinana isan-karazany, dia mila mamokatra sy mampitombo ny famokarana hihenan'ny fahantrana. Ny indostria moa dia tena ilaina amin'ny ady amin'ny fahantrana noho ny asa maro sy hetra goavana entiny. Toy ny nataon'i Vietnam, Bangladesh, Ethiopia... nialana tamin'ny fahantrana ary tohizan'i Rwanda ankehitriny. Rehefa mamokatra ny firenena iray dia mihena ny fanafarana ka mahazo aina ny toekarena. Raha ny taona 2019 fotsiny izao dia mitentina 525.430 miliara ariary ny vary nafarana,ary 216.518 miliara ny siramamy kanefa isika dia manana an` ny orinasa SIRAMA sy Maromamy. Mila omena vahana, araka izany, ny tantsaha mba hampitombo ny famokarana mba ahafahan` izy ireo indray manondrana sy manodina mba. Nefa izany mila fandriampahalemana,fahasalamana,fampianarana... indrindra eo amin` ny tontolo ambanivohitra. Ankoatra izay dia ny fampihofanana ny tantsaha sy ny fotodrafitrasa ilana amin` ny fambolena. Ny famokarana ihany koa dia mampiroborobo ny indostria madinika, salantsalany ary vaventy ka tsara raha hamoraina ny fananganana indostria ho an` ny Malagasy.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT