Toekarena

AAA-TIKO Andranomanelatra Nampitomboina ny isan’ny emmoreg miambina azy


  • Zoma 02 Martsa 2018

Nanao fidinana faninefany tany amin’ny foiben’ny AAA-Tiko Andranomanelatra indray ny vadintany, nirahin’ny solontenam-panjakana tao Vakinankaratra, nanamarina sy nanavao ireo « scellage », efa natao teo aloha omaly alakamisy 01 martsa 2018 antoandro.

 

 Raha ny fanazavana nentin’ny vadintany tamin’ny mpanao gazety vitsivitsy tonga tany Andranomanelatra dia naharay antso, hono, ny prefektiora fa novakian’ny mpiasan’ny AAA-Tiko ny vavahadibe eo anoloana ary nisy fiarabe niditra tao an-toerana, izay tsy hay ny antony fa nambarany fa ananan’izy ireo porofo amin’ny sary. Nolavin’ireo mpiasa teo moa izany. Ankoatra izay, voalaza fa nisy « cadenas » iray niala ilay fanidiana nataon’izy ireo. Nidina tany an-toerana mihitsy ny prefen’Antsirabe nitondra ireo lehiben’ny mpitandro ny filaminana ary nametraka mpitandro filaminana marobe fanampiny indray. Resaka efa mandeha anefa ny hoe tsy maharaka intsony ny tetibolan’ny faritra Vakinankaratra noho ny solika lany satria andaniana 250 000Ar isan’andro farafahakeliny ireo Emmoreg, ankoatra ny tambin-karama 15 000Ar isan’olona. Nametraka hafatra moa ny solontenam-panjakana mahefa fa tsy ekena ny hisian’ny fiara mivoaka sy miditra ao nanomboka omaly. Nametrahana mpitandro ny filaminana avokoa ny vavahady rehetra manodidina ny ozinina, ka hatramin’ny kamio mpitatira vilona sakafon’ireo omby manodidina ny 300 ao an-toerana aza dia tsy mahazo miditra ao anatin’ny faritry ny toeram-piompiana. Atao fahirano hatramin’ny biby fiompy izany manomboka izao ao Andranomanelatra ao, ka asa izay hanjo azy ireo satria ivelan’ny tambohon’ny orinasa no misy ny tanim-bilona taterin’ny fiarabe.

Caius R sy Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT