Toekarena

AAA-Tiko Andranomanelatra Efa niala ireo mpitandro ny filaminana


  • Talata 19 Jona 2018

Ny alarobia 13 jona lasa teo no niala tao amin’ny orinasa AAA-Tiko tao Andranomanelatra ireo mpitandro ny filaminana maro nasaina niambina sy nanao sakana tao an-toerana nandritra ny fotoana naharitra.

 

Ny alarobia 13 jona lasa teo no niala tao amin’ny orinasa AAA-Tiko tao Andranomanelatra ireo mpitandro ny filaminana maro nasaina niambina sy nanao sakana tao an-toerana nandritra ny fotoana naharitra. Andrasana kosa ny mety ho fampitam-baovaon’ny mpitantana ny orinasa mikasika ny tohin’ny raharaha sy dosie samihafa nilan-kisa tamin’ny orinasa hoe efa nilamina tanteraka ve ka afaka miodina tsy misy sakantsankana intsony sa mbola misy ny olana ? Somary niova rahateo ny tantana taorian’ny fitsanganan’ny governemanta vaovao, ka nahavoatendry an’i Guy Rivo Randrianarisoa, izay akaiky an’i Marc Ravalomanana ho minisitry ny Indostria. Nambarany nandritra ny fifamindram-pahefana teo aminy sy ny teo alohany, fa vonona izy hanokatra ireo orinasa Malagasy afaka mamokatra, ary tsy ny Tiko ihany. Raha ny vaovao farany, dia mbola mipetaka ny “scéllage” nanidiana ny vavahady napetraky ny mpitondra fanjakana tao Andranomanelatra, izay nisian’ny olona samihafa, toy ny fahafatesana omby vitsivitsy volana maromaro izay. Mihodina hatrany kosa ny famokarana dibera “Margarine” izay manana ny foibeny ao Vatofotsy Antsirabe, fa ny tao Andranomanelatra ihany no nisian’izay resaka fanidiana nataon’ny fanjakana izay. Antenain’ny maro kosa ny ho fisokafan’ny AAA-Tiko amin’ny fomba ofisialy indray satria sady manome asa ny vahoaka no reharehan’ny Malagasy ihany koa ny vokatra vokariny noho ny hatsaran’ny kalitaony.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT