Toekarena

494 tapitrisa dolara amin’ny anaran’olon-tsotra Ho ferena ny afaka manana kaontim-bola vahiny


  • Alakamisy 15 Septambra 2022

Maherin’ny 494 tapitrisa dolara ny vola vahiny amin’ny anaran’olon-tsotra sy orinasa matory fotsiny any amin’ny banky,

izay isan’ny mampitotongana ny sandan’ny vola ariary, araka ny fanazavana nentin’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny vola sy ny Governoran’ny Banky Foiben’I Madagasikara. Io no antony nanaovana fanitsiana ny lalàna mikasika ny fahafahana manana kaontim-bola vahiny, ka ny mpanondrana entana, ireo tsy monina eto, orinasa afakaba, masoivoho vahiny,… sy ireo voamarina fa tsy maintsy mila izany, no afaka manana kaonty amin’ny vola vahiny, raha ny fanazavan’ny Minisitry ny toekarena sy ny vola Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison. “Raha ny tarehimarika misy momba ny sandam-bola, ny 8 volana voalohany, nihena 3,7% ny Ariary raha oharina amin’ny dolara, izay kely izany satria ny firenen-kafa manodidina aza hatrany amin’ny 15%. Nisy fiakarany 8,6% kosa ny Ariary mitaha amin’ny euros. Ny fisian’ny lalàna amin’ny fahafahan’ny olon-tsotra mitahiry vola vahiny any amin’ny banky no ahafahana mifehy ny fitotonganan’ny Ariary”, hoy kosa ny Governoran’ny Banky Foibe Atoa Henri Rabarijohn, izay naneho fa azo lazaina ho tsy nitotongana ny sandam-bola. Nambara fa hitady loharanona vola vahiny isika hapetraka ao amin’ny tsenan’ny fifanakalozana vola vahiny na MID ahazoana mitazona na mampiakatra ny sandan’ny Ariary. Isan’ny tsy hita hatramin’izay ny tamberiny amin’ny fanondranana volamena, zara raha misy miverina. Anisan’ny fomba iray ahafahana manamafy orina ny Ariary ny sehatry ny volamena io, ahafahana mampiditra vola vahiny hatrany amin’ny 600 tapitrisa dolara ny fanondranana volamena 10 taonina, hoy hatrany ny fanazavana. Tsara moa no mampahatsiahy,fa efa nisy ny fameran’ny Fanjakana ho 10 000euros ny vola vahiny azon’ny mpandeha iray hoentina mivoaka an’I Madagasikara
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT