Miisa 1 500 000 ny mpiasa misehatra amin’ny fizahantany no efa very asa ankoatra ny fatiantoka nandritra izay 65 andro tsy nihodinan’ny sehatra
fizahantany izay araka ny tatitry ireo mpisehatra anatin’ny fizahantany mivondrona ao anatin’ny “ Confédération du Tourisme de Madagascar” (CTM) tetsy amin’ny INTH Ampefiloha ny Talata lasa teo . Ao anatin’ny sehatra tsy miankina izy ireo izay velon-taraina tanteraka ary nilaza fa adinon’ny fanjakana. Nandritra izay fotoana maro tsy niasana intsony izay dia tsy vitsy ny hetsika sy fangatahana maro efa natao saingy tsy hita mihitsy hatreto izay valiny hoy ny fanambarana. Voakasika izany avokoa ireo mpiasa tena tahaka ireo mpitari-dalana (guide touristique), ireo mpiasa amin’ny fitaterana ana habakabaka, ireo misehatra amin’ny sakafo sy ny hotely, ireo Agences de Voyage sy ny Tours Opératreurs ary ireo maro hafa mpikambana. Raha ny mpitari-dalana fotsiny ohatra dia mamelona mpiasa hatrany amin’ny mpiasa 2000 ary fianakaviana 10 000 eto Madagasikara. Ny ankamaroan’izy ireo dia mivelona amin’ireo alan-javaboahary arovana eto amin’ny firenena. Amin’izao fotoana izao na ny hanina arapaka aza efa tsy misy intsony ary ny asa efa ela no tapaka kanefa mamelom-bady aman-janaka izy ireo araka ny fitarainana. Manamafy ny antso avo efa natao tamin’ny fanjakana ireto mpikambana ao anatin’ny CTM ireto hijerevana manokana ny sehatra fizahantany izay mampidi-bola sy mampiroborobo ny toekarena eto Madagasikara. Tsy misy mihitsy hoy izy ireo hatreto ny fampitam-baovao sy ny valiny tamin’ireo fitakiana rehetra natao. Miandry ny fepetra manokana avy amin’ny fanjakana ny rehetra ary anisan’izany ihany koa ny any amin’ny faritany izay miasa amin’ny alan-javaboahary sy ireo mpisehatra amin’ny tontolo iainana. Tsy misy ny fanampiana sy ny tohana hatreto ka manantena fa hisy valiny amin’izay ny fangatahana rehetra natao ary mitodika manokana amin’ny tompon’andraikitra rehetra indrindra ny fanjakana mahefa ny amin’ny hanatanterahana izany.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.