Toekarena

3 taona katroka ny nidiran’ny covid-19 Tsy mety tafarina i Madagasikara…


  • Alatsinainy 20 Martsa 2023

Namono olona iray indray ny coronavirus, na dia efa tsy dia be mpiresaka sy toa adinodino aza. Raha ny fivoaran’ny tranga teto Madagasikara teo anelanelan’ny 11-17 martsa mantsy, nisy iray namoy ny ainy.

Ankoatra ny iray lavo, nahatratra 30 ihany koa ny tranga vaovao tao anatin’ny herinandro, hita tamin’ny fitiliana 260, manome taham-pahavoazana 11,5%. Amin’izao fotoana izao, miisa 27 ireo marary mbola manaraka fitsaboana. Tsy misy amin’izy ireo kosa na izany aza no ao anatin’ny fahasarotana na “forme grave”. Entanina hatrany ny rehetra hitandrina ny lafiny ara-pahasalamana satria tena mafy sy lafo ny fitsaboana amin’izao, raha sanatria tojo tsy fahasalamana. Raha ny antontan’isa, tafakatra 1424 ny isan’ny lavon’ny coronavirus hatramin’izay, aty amin’ny telo taona katroka nanambarana fa tafiditra teto Madagasikara ity valanaretina. Raha tsiahivina mantsy, ny volana martsa 2020, teo amin’ny faha-20n’ny volana tahaka izao no nanambarana ofisialy fa efa misy tranga eto Madagasikara, ka olona 3 no niantombohan’izany. Isan’ny tena nanahirana sy nampikorosy fahana ny firenentsika io satria raha ny fanadihadian’ny manam-pahaizana dia avo 10 heny amin’ny fahavoazana ara-toekaren’ny firenena maro ny an’i Madagasikara. Toa nolalaovina tamin’ny politika rahateo, nentina nampalazana tena, tonga hatramin’ny hoe: isika no hanavotra izao tontolo izao. Nampiasaina hatramin’ny mpaminany sandoka mba hakana laza politika. Asa mby aiza isika ankehitriny? Betsaka ny lesoka, nanjaka ny fitantanana tsy manjary na efa tao anatin’ny fahasarotana aza ny firenena, raha tarafina amin’ireny tatitra nataon’ny Fitsarana momba ny kaonty momba ny fitantanana ny 444 tapitrisa dolara ampahany tamin’ny fanampiana ho an’ny covid-19 ireny. Lasa fialana bala lava ho an’ny tsy fahombiazam-pitantana ny fisian’ny coronavirus. Mandrak’ity ny androany tsy mety tafarina, raha toa ka efa zavatra hafa no imasoan’ny firenena maro.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT