Toekarena

2018 sy vola vaovao Ahian’ireo mpandinika ho misy hifandraisany


  • Alakamisy 10 Aogositra 2017

Tsy ampy iray volana izao dia niharihary fa efa tsy voafehy sahady ny fiparitahan’ny sandoka amin’ireo vola vaovao navoakan’ny banky foiben’i Madagasikara. Isan’ny nahitana izany farany teo ny tao Sambava fa efa tsy ambakan’izany koa ny ao Nosy be,

 

 raha ny fanazavan’ny mpanao politika, Andrianambinina Alphonse. Voalaza ho natao hiarovana amin’ny fiparitahan’ny vola sandoka no anton’io, hoy ity mpanao politika ity, kanefa dia hiaraha-mahita fa ny mifanohitra amin’izany amin’izao fotoana izao no mitranga. Nanampian’ny mpahay diplaomasia, Julien Radanoara izay fanazavana izay moa ny fanahiany tamin’ny alalan’ny fametrahany fanontaniana sao misy hifandraisany amin’ny fifidianana izay efa atomotra ity famoahana vola vaovao tsy voafehy ity. Toy ny mbola nohamafisin’ny Tangalamena Patrick Zakariasy io fanahiana io amin’ny fampatsiahivany fa efa niseho teto amintsika ny fanaparitahana vola 1 kaontenera avy hatrany teny an-tsena taorian’ny fampidirana azy tany amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina fa tsy nandalo akory teo anivon’ny banky foibe. Azo heritreretina koa anefa, hoy hatrany ny tenany, ny fanakanana ny volaben’ireo kandida amin’ny fifidianana sy ny fampidirana volabe hafa hiatrehana fampelezan-kevitra. Toy ny milaza an-kolaka ihany koa ve izany fa misy fikasana hampijabaka ireo mpanohitra ny kandidan’i HVM ho voafandrika ka mety hampiasa vola sandoka tsy nahy ao ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT