Toekarena

2018 sy vola vaovao Ahian’ireo mpandinika ho misy hifandraisany


  • Alarobia 09 Aogositra 2017

Tsy ampy 1 volana izao dia niharihary fa efa tsy voafehy sahady ny fiparitahan’ny sandoka amin’ireo vola vaovao navoakan’ny banky foiben’i Madagasikara. Isan’ny nahitana izany farany teo ny tao Sambava fa efa tsy ambakan’izany koa ny ao Nosy be,

 raha ny fanazavan’ny mpanao politika, Andrianambinina Alphonse. Voalaza ho natao hiarovana amin’ny fiparitahan’ny vola sandoka no anton’io, hoy ity mpanao politika ity, kanefa dia hiaraha-mahita fa ny mifanohitra amin’izany amin’izao fotoana izao no mitranga. Nanampian’ny mpahay diplaomasia, Julien Radanoara izay fanazavana izay moa ny fanahiany tamin’ny alalan’ny fametrahany fanontaniana sao misy hifandraisany amin’ny fifidianana izay efa atomotra ity famoahana vola vaovao tsy voafehy ity. Toy ny mbola nohamafisin’ny Tangalamena Patrick Zakariasy io fanahiana io amin’ny fampatsiahivany fa efa niseho teto amintsika ny fanaparitahana vola 1 kaontenera avy hatrany teny an-tsena taorian’ny fampidirana azy tany amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina fa tsy nandalo akory teo anivon’ny banky foibe. Azo heritreretina koa anefa, hoy hatrany ny tenany, ny fanakanana ny volaben’ireo kandida amin’ny fifidianana sy ny fampidirana volabe hafa hiatrehana fampelezan-kevitra. Toy ny milaza an-kolaka ihany koa ve izany fa misy fikasana hampijabaka ireo mpanohitra ny kandidan’i HVM ho voafandrika ka mety hampiasa vola sandoka tsy nahy ao ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT