Toekarena

2009 ka hatramin’ny 2020 Nitotongana hatrany ny toekarena


  • Zoma 09 Oktobra 2020

Ady hevitra tsy hifankahitana tato ho ato ny resaka fanohizana tetikasa natomboky ny teo aloha mivadika ho veliranon’ny Filoha Rajoelina. Ny tsy azo lavina, nanomboka 2009 dia namatam-bonona hatrany i Andry Rajoelina. Taham-piakaran’ny toekarena na “taux de croissance”

 

 

7,3% sy ny tahirim-bola vahiny manodidina ny 2 miliara dolara no tao amin’ny Banky Foiben’I Madagasikara nialohan’ny nionganan-dRavalomanana ny 2009. Nivarotra vy 200 tapitrisa euros tany Soalala ny Fanjakana, fa ny 100 no voalaza fa nanaovana fanambarana. Laharana faha-123 amin’ny 188 isika tamin’ny resaka fahantrana ny taona 2008, ary faha-85 tamin’ny ady amin’ny kolikoly. Lasa faha-151 sy faha-133 amin’ny fanaovana kolikoly ny taona 2009-2014. Faha 185 amin’ny 188 mahantra indrindra ary 158 amin’ny resaka ady amin’ny kolikoly aty amin’ny 2019-2020. Samy nanao fotodrafitrasa na Ravalomanana na Rajaonarimampianina, na Rajoelina tamin’ny fananganan-javatra fa ny serasera no nampisehoana ireny no tsy nitovy. Marina fa mahatsapa ho miezaka sy tena manao angamba ny Filoha ankehitriny sy ny ekipany, fa raha refesina amin’ny lafiny sosialy sy toekarena, dia nitsotsorika foana ny fiainan-dRamalagasy taorian’ny fandraisan-dRajoelina ny fitantanana ny firenena in-droa nisesy dia ny 2009 sy 2018. Niala teo Atoa Hery Rajaonarimampianina 5,2% ny fiakaran’ny toekarena, kanefa -1,2% kosa ankehitriny. Tsy afaka hialana bala ny coronavirus satria ity fitondrana ity dia nolazaina fa efa niomana 4 taona, efa naseho ny IEM sy ny mpamatsy vola. Mandeha ny kihana samihafa, ary misy sahy milaza fa tetikasa poakaty ny IEM. "Hatramin’izao 0 ariary, 1 miliara dolara ny hetra miditra aminao, kanefa ny tetikasa avoakanao 35 miliara miliara dolara, ka na zazakely T3 aza ve tsy mahatakatra hoe tsy “possible” izany ? hoy ny mpanao politika iray nanohana ny Filoha Rajoelina teo aloha. Tondro tsy mandainga, eny anaty fiarahamonina ahitana fa mitombo isa ny Malagasy miha mahantra.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT