Sport

Zinedine Zidane Hikarama 7,5 tapitrisa euros isan-taona


  • Alakamisy 14 Martsa 2019

Raha nambara ofisialy tamin’ny alatsinainy 11 martsa teo ny fiverenan’ilay mpanazatra Frantsay Zinédine Yazid Zidane hitantana indray ny klioban’ny Real Madrid, indray araka ny niantsoan’ny filohan’ity klioba Espaniola ity azy,

 

 

Florentino Perez, hisolo toerana ny mpanazatra Argentin Santiago Solari noho ny vokatra ratsy azony teo amin’ny fitantanana an’ity klioba ity. Ny talata 12 sy omaly alarobia 13 martsa izy dia efa nampanao sahady fanazarantena voalohany ho an’ireo mpilalao ao amin’ity ekipa ity izy. Tsiahivina fa haharitra hatrany amin’ny 2022 ny fifanarahana vaovao nosoniavin’ny lehilahy ao amin’ity ekipa ity ary handray 7,5 tapitrisa euros isan-taona izy amin’izany. Izany hoe avo 3 heny noho ny noraisiny tamin’ny 2016. Hividy mpilalao vaovao koa ny Real Madrid amin’izao fiverenany izao araka ny vaovao niparitaka

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT