Lamba

maloton'ny FMF


  • Zoma 27 Novambra 2026

Natsikafon'i Romain Molina

Niteraka resabe foana hatramin'izay ny tsy fanefàn'ny Federasionina malagasin'ny baolina kitra na FMF ny karaman'ny mpanazatran'ny ekipam-pirenena. Nanao ampamoaka momba ny azy mihitsy moa ny mpanazatran'ny Barea teo aloha, Romuald Rakotondrabe na Roro, raha nanazatra ny ekipam-pirenena izay tonga hatrany amin'ny manasa-dalan'ny tompondakan'i Afrika na CHAN 2023 ary nahazo medaly alimo mihitsy. Mbola misy teo amin'ny 120.000 Dolara na 540 tapitrisa Ariary teo tsy azo, hoy ity mpanazatra ity, raha tsiahivina, mikasika izay karamany izay. Voalaza ho tsy voaloha araka ny tokony ho izy koa izao ny karaman'ilay tekinisianina frantsay, Corentin Martins, izay nifanarahany tamin'ny FMF ho 18.000 Euro na 90 tapitrisa Ariary eo isam-bolana. Milaza ny mpanao gazety ara-panatanjahantena frantsay, Romain Molina, fa miezaka ny hanapaka ny tadiny amin'ity mpanazatra frantsay ity izao ny FMF ary maniry ny hametrahany fialàna. Toy ny milaza ity mpamakafaka frantsay ity fa tsy voafehin'ny FMF intsony ity mpanazatran'ny Barea ankehitriny ity saingy tsy hanànany ny fahefàna hanala azy amin'ny toerany noho izay fifanarahana ara-bola tsy voahaja izay. Aiza moa no hahita fandresena ilay ekipam-pirenena, hoy i Romain Molina? Na ilay federasionina aza, hoy izy nanatsikafona ny lamba maloton'ny FMF, sahirana be amin'ny resaka fandaminana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsipy
  • Alakamisy 26 Novambra 2026

kanetibe

  • Taranja
  • Alarobia 25 Novambra 2026

Tsipy Kanetibe

  • Coupe du
  • Talata 24 Novambra 2026

monde de pétanque

  • Rayan Raveloson
  • Talata 24 Novambra 2026

Nangidy ny herinandro

  • Filazàna fa
  • Zoma 20 Novambra 2026

mandeha ny fitantanana ny kitra malagasy

  • Trophée
  • Alakamisy 19 Novambra 2026

International de Madagascar de Karting

Hijery ny tohiny
FTT