Sport

Zakanirina Rakotohasimbola na Nina Tsy sahin’i Nicolas Dupuis tsy hajoro


  • Alakamisy 23 Martsa 2023

Tsy misy tomika i Nina na Zakanirina Rakotohasimbola, hoy ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea,

Nicolas Dupuis, raha ny mikasika ny mpiandry tsatoby ho tompon-toerana manoloana ny fihaonana amin’I Centrafrique amin’ity anio ity etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina no asiana resaka. Niaraha-nahita izy tany amin’ny CHAN, hoy I Nicolas Dupuis. Niaraka taminy aho tany Maraoka. Tsy misy amboniny hatreto. Tsara ny asa fanomanan-tena nataon’i Melvin saingy i Nina no hilalao, hoy hatrany ny tenany. Na dia tsikaritra ho misy fitiavana manokana ny kintan’ny CAN 2019, Adrien Melvin, ihany aza, araka izany, eo amin’ity mpanazatra ny ekipam-pirenentsika ity dia mba fara faha ratsiny azo antoka aloha izany fa tsy ho sahin’I Nicolas Dupuis tsy hajoro ny kintan’ny CHAN 2023.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT