Sport

Yannick Pandor Tsy afaka ho any Cotonou hiaraka amin’ny Barea


  • Alarobia 10 Novambra 2021

Olana eo amin’ny lafiny taratasy, raha ny fampitam-baovao voaray omaly, no antony maha tsy afaka an’ilay mpiandry tsatoby eo anivon’ny ekipam-pirenena Malagasin’ny baolina kitra vaovao,

 Yannick Pandor, ho any Cotonou. Tsy ho isan’ireo mpilalao handrafitra ny Barean’i Madagasikara amin’ny lalao hikatrohana amin’i Benin rahampitso, noho izany, ity mpilalao fiandry na “reserve” ao amin’ny FC Lens ity. Ity klioba frantsay ity moa izay marihina fa mifaninana ao amin’ny fifaninanam-pirenena divizionina faha 4 na National 2. 20 taona kosa ankehitriny i Iannick, izany hoe, mbola ao anatin’ny taona hivoarana tanteraka.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT