Sport

Yann Davidson Vezo - Baskety Mamporisika ny tanora hiasa mafy hatrany


  • Zoma 24 Aprily 2020

Anisan’ny mpitsara basikety Malagasy nahazo ny “certification” iraisam-pirenena ahafahana mitsara ny lalao basket 5x5 sy basket 3x3 i Yann Davidson Vezo 31 taona ka avy amin’ny resadresaka nifanaovan’ny MA (Morondava Autrement)

 

 

 

 

 no nilazany fa efa nitsara basikety 5x5 iraisam-pirenena sokajy seniors lahy sy vavy ary sokajy junior hatramin’ny volana aogositra 2014 ny tenany amin’ny maha mpitsara FIBA (Fédération Internationale de Basket) azy. Tamin’ny volana martsa 2020 aho, hoy izy, no nahazo ny “licence FIBA 3x3” niaraka tamin’ireo namako 5 hafa aty Afrika ka 2 izahay no avy aty Madagasikara tamin’izany dia izaho sy i Tojo. Izaho izany hatreto no mpitsara tanora indrina aty Afrika sy Eorapa nahazo an’io “doube certification FIBA” io. Marihako, hoy hatrany i Yann Davidson, fa ny basikety 3x3 dia tafiditra ho anisan’ireo taranjam-panatanjahantena hifaninanana any amin’ny lalao olimpika Tokyo 2020 izay voatery nahemotra amin’ny taona 2021 noho ny Covid-19. Tany Toamasina sy Morondava toerana niavian’ireo raiamandreniko no niveivezko nandratoana fianarana teto Madagasikara ary tamin’ny taona 2004 aho no lasa nianatra tany Toulouse France ka nahazo ny bakalorea sy ny Staps (sciences et techniques des activités physiques et sportives). Tamin’ny fahatongavako tany Toulouse no nanombohako nikotrana lalao basikety. Hafatra mba tiako hampitaina amin’ireo tanora Malagasy namako, hoy izy, dia ny famporisihana hiasa mafy tsy tapaka isan’andro eo amin’ny zavatra atao ka hibanjina mandrakariva ny tanjona tiana ho tratrarina ka hahay hanitsy ny lesoka natao fa tsy ho kivikivy izany mihitsy satria tsy hahazo fahombiazana izany mihitsy ianao raha tsy mahay manitsy an’izany lesoka sy tsy fahombiazana nihatra izany.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT