Sport

YALA Awards 2023 any Maroc Hiatrika famaranana i Jimmy Ranitratsilo


  • Zoma 05 Mey 2023

Hotanterahina any Maroc ny 10 hatramin'ny 15 mey 2023 ho avy izao ny famaranana ny fifidianana izay tanora

mpitarika mendrika manerana ny Afrika na ny " Young African Leaders Awards 2023" na YALA Awards 2023, fifaninana karakarain’ny African Youth Architect. Manana solontena hiatrika izany i Madagasikara dia i Jimmy Ranitratsilo, ka nisy ny fandraisan’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Atoa André Haja Resampa azy tao amin'ny biraony tao Ambohijatovo ny 28 aprily 2023, araka ny fampitam-baovao voaray. Ho fanohanana ity tanora mpitarika ity dia nanolotra ny tapakila izay hahafahany hihazo an'i Maroc ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ary nirary soa ho azy hahazo ny vokatra tsara ary hitondra avo ny voninahim-pirenena. Tetikasa miisa 30 moa no entin’ireo mpifaninana tafakatra famaranana, ka 14 ny amboara ho an’ireo voasafidy ho mendritra indrindra iza ho fantatra ny 12-13 may izao. Mifototra amin’ny tetikasa sy fandaharan’asa mitera-bokatsoa ho an’ny tanora ny fahatanterahany ny fifaninana, mifandraika amin’ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy na ODD napetraky ny Firenena mikambana sy ny Agenda 2063 napetraky ny Vondrona Afrikanina. Ahitana ireo Lehibena orinasa, ONG, matihanina ara-politika, mpampiasa vola, mpamorona sy mpikaroka mitondra zava-baovao ho an’I Afrika,… no mivondrona sy mandray anjara ao anatin’ny YALA Awards 2023.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT