Afa-po tamin’ny fandalovana voalohany sady savalalana mikasika ny tetikasa hampihariny eto Madagasikara ireo manampahaizana roa lahy avy amin’ny World Wrestling Professional
(WWP), i Abdul Kader, filohan’ny fikambanana sy i Mark Beale, tale mpanatanteraka, izay mpikarakara irony fifaninanana catch na tolona natokana ho an’ny matihanina irony.
Ny alatsinainy teo izy ireo no nigadona teto an-drenivohitra ary nanainga omaly. Ny anton-dian’izy ireo moa dia ny hitily sy hitrandraka ireo mpitolona Malagasy manan-talenta azo hofaninana ho lasa kalaza sy matihanina. Klioba roa eto an-drenivohitra dia ny UASC sy Rossary no notsidihin’izy ireo ary efa nahitany mpikatroka sangany sy azo hatosika ho lasa lavitra sy hamiratra amin’ny WWP. Mpitolona dimy lahy sy vehivavy iray ary mpanazatra roa no heverin’ireto mpitantana ny WWP ireto fa hoentina handranto fiofanana iray volana any Afrika atsimo hampahalalana ny fitsipika mifehy sy ny fototr’ity WWP ity izay fifaninanana tolona na catch ambony ringa ary vokarina an-tsary ho fandaharana halefa sy hamidy amin’ny fahitalavitra. Anisan’ireo firenena vao avy notsidihin’ireto mpitantana ny WWP ireto i Inde ary efa vita ny DVD mirakitra ny fampisehoana sy adin’ireo mpikatroka sangany indiana 100%. Tetikasa toy izay koa no tian’ireto vahiny ireto hatao eto amintsika dia ny hahamatihanina ireo mpitolona, tsy i Madagasikara ihany fa hivoaka sy hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena. Anisan’ireo sangany efa voatily ry Soloniaina Josiane, izay efa nahazo lalarana faha-5 tamin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, efa tompondakan’i Afrika lefitra, nahazo medaly alimo tamin’ny lalao afrikanina tany Abuja tamin’ny 2003 ary nandrombaka medaly volamena roa tamin’ny lalaon’ny Nosy 2007 teo. Toy izany koa i Dina Tsilavina Nirina izay nahazo medaly volamena tamin’ny JIOI 2007 teo, medaly alimo tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika ary eo amin’ny sokajy lehilahy kosa ahitana an-dRazanakoto Rado Gino na i Rado be, izay tompondakan’i Madagasikara in-telo nisesy tamin’ny sokajy mavesatra 100kg, efa in-5 nahazo ny -96kg ary in-4 nisalotra ny -84kg. Santionany ihany ireo atleta efa voatily ireo amin’izao fandalovan’ireo mpitantana ny WWP izao fa afaka iray volana no tena hanaovan’izy ireo ny sivana hijerena ireo halefa hiofana any Afrika atsimo.
Hery Rabe
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.